Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

NOHON’NY FANOHANAN’NY FILOHA… : Hifanandrina amin’ny Ghana ny Barea amin’ny 12 Oktobra

“Raikitra ny fampivondronana hoan’i Barea nohon’ny fanampiana lehibe avy amin’ny Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina”. Io no fanambarana nataon’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasy, Barean’I Madagasikara, omaly. Fanambarana izay nandravona ireo disadisa sy resabe isankarazany manodidina ny tokony hanatanterahan’ny ekipa nasionaly fanazarantena ho fiomanana amin’ny fifanintsanan’ny Can 2021. Araka izany, tsy i Burkina-Faso no hifanandrina amin’i Barea, izay efa niely tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, fa ny Black Star an’ny Ghana izay laharana faha-46 amin’ny “Classement” an’ny FIFA ary laharana fahafito aty Afrika. Any Turquie no ho tanterahana ny lalao.

Handeha mivantana amin’ny TVM

« Raha ilay lalao izay nokasaina hatao tany Maroc dia eo amin’ny 100.000€ ny sarany fandaniana. Tsy ho zaka izany », hoy Nicolas Dupuis. Mahakasika ny fandaharam-potoana manodidina io fampivondronana io, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma 9 octobre 2020 no hatao ny fanazaran-tena ao Luxembourg ary faranana amin’ny “match d’entraînement” amin’i Swift Hesperange (D1) ao an-toerana. “Ny sabotsy dia miainga mankany Turquie manohy ny fanomanan-tena ary ny alatsinainy 12 octobre 2020 izay journée FIFA no hanatanterahana ny lalao amin’i Black Star Ghana izay arahin-tsika mivantana amin’i TVM”, araka ny fanazavany hatrany. Mahakasika ny fampitaovana, ny Telma izay mpanohana hatramin’izay no hiantoka ny lany rehetra ary mbola ny Garman no akanjo hisaloran’i Barea amin’io izay inoana fa io no farany hitondran’ny ekipam-pirenena azy. “Isaorako Andriamatoa Filoham-pirenena, Andriamatoa Ministre MJS sy ireo mpikambana 7 ao amin’ny komity mpanatanteraka ny FMF. Tsy hadinoko ianareo mankafy ny Barea. », hoy Nicolas Dupuis. Tsiahivina fa tsy vao sambany ny Filoha no nanohana ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra ny sehatry ny baolina kitra malagasy. Isany tetikasa goavana efa mandeha ankehitriny ny fananganana ny Kianja Barea eo Mahamasina, izay fanamby efa napetraky ny Filoha ny taona 2019. Eo koa ny fanarenana ireo Kianja manarapenitra maherin’ny telopolo isa manerana ny distrika maro eto Madagasikara.

Fermer