Songadim-baovaoSosialy
OKTOBRA 2020 – MARSA 2021 : 23 tamin’ireo mpandeha 5 500 niditra an’i Nosy Be no nitondra ny Covid-19
Niteraka resabe tato anatin’ny andro maromaro ny fitombon’ny isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus ao Nosy Be. Nitondra fanazavana ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro omaly, izay nilaza fa 23 tamin’ireo mpandeha niisa 5 500 niditra an’I Nosy Be ihany voamarina fa nitondra ny Covid-19, nanomboka ny Oktobra 2020 ka hatramin’ny Marsa 2021. Izany hoe, ny tsy fanajana ireo fepetra sakana tokony harahina no mampirongatra ny trangana Coronavirus any an-toerana amin’izao fotoana.
Tsy mbola ao anaty vinan’ny Fanjakana mihitsy hatreto ny fanakatonana ny sidina mivoaka sy ny miditra an’I Nosy Be, na dia eo aza ny fitombon’ny isan’ireo mitondra ny Coronavirus any an-toerana. Araka ny fanazavan’ny Minisitry Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro, Joel Randriamandranto, omaly, dia tsy Covid-19 nentin’ny mpandeha avy any ivelany velively ireo mirongatra ao Nosy Be ankehitriny ireo, fa vokatry ny fifampikasohana sy ny tsy fanajana ireo fepetra sakana misoroka ny fiparitahan’ny aretina. Araka ny antontanisa nomeny, 23 tamin’ireo mpandeha niisa 5 500 tonga tao Nosy Be ihany no voamarina nitondra ny Covid-19. Ny 30%-n’ireo mpandeha ireo ihany no mpizahatany, araka ny fanazavana. Izany hoe, nanodidina ny 1700 teo ho eo. Mahakasika ireo tranga 23 ireo indray, ny 20 tamin’ireo dia efa talohan’ny faran’ny taona avokoa. Izany hoe, hatramin’ny fiandohan’ity taona ity izany, dia telo ihany no trangana Covid-19 voamarina fa avy any ivelany tonga teto amintsika. Na izany aza anefa, efa natoka-monina avokoa ireo tranga avy any ivelany ireo fa tsy nifandray tamin’ny fiarahamonina akory.
Midika izany, fa ny Covid-19 izay miparitaka ao Nosy Be ankehitriny, dia vokatry ny tsy fitandremana sy ny tsy fanajana ireo fepetra sakana fisorohana ny valanaretina. Tsy mitazam-potsiny anefa ny Fanjakana, fa efa mandeha ny fifampidinihana amin’ireo tomponandraikitra any an-toerana sy ny CRCO Nosy Be amin’ny zava-misy any ankehitriny. Hatreto, tsy mbola anaty kajy ny hanakatona an’I Nosy Be. Ary koa, tsy mbola vina ny hanokafana ireo seranana hafa ankoatra an’I Nosy Be.
Analamanga no ivon’ny aretina
Raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka omaly, dia ny Faritra Analamanga no fantatra fa foiben’ny valanaretina Covid-19, ho antsika eto Madagasikara. Ity tomponandraikitra ity izay nanamafy fa efa maro ireo ezaka nataon’ny Fanjakana hamongorana ny valanaretina. Tsy azo nihodivirana kosa anefa ny fiakaran’ny antontanisa tamin’ny fety, izay efa nandraisana fepetra. Ankehitriny, raha misy ny fiakaran’ny antontanisa indray dia vokatry ny fanamaivana ireo fepetra fisorohana rehetra. “Raha ohatra ka voahaja ireo fepetra sakana rehetra, manao arotava, manasa tanana matetika, mampiasa “gel désinfectants”, manaja ny elanelana iray metatra, dia tsy miditra amin’ny fihibohana isika. Raha toa ka tsy voahaja izay dia tsy maintsy miditra amin’ny fihibohana”, hoy ny Minisitra nanazava. Anisany efa fepetra noraisin’ny Minisitera ankehitriny, ny fanaovana fanentanana, fitiliana, mitady izay mety ho fifampikasohana, fanapahana ny rojo mety mampita ny tsimokaretina.



