Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

OLANA ARA-PIARAHAMONINA TAO MANDOTO: Lehilahy iray maty voatsatoka antsy, tomponandraikitra maro voatonontonona

Tovolahy iray novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Fokontany Miaramasoandro, Kaominina Antanambao Ambary, Distrikan’i Mandoto. Tsy fantatra mazava ny tena fototry ny famonoana fa nosokajian’ny mpanao famotorana ho olana ara-piarahamonina no niseho tao amin’ity fokontany ity. Tomponandraikitra maromaro any ifotony koa anefa no voatonontonona tamin’izao raharaha izao, izay hiakatra fitsarana ny 18 Novambra 2021 izao.

Mandoto, distrika iray tafiditra ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra. Manana tanjaka ara-toe-karena tahaka ireo distrika hafa manerana ny nosy raha i Mandoto manokana ary saika mifototra amin’ny lalam-pihariana miompana amin’ny fambolena sy fiompiana ny mponina ao aminy. Tao anatin’ny taona maro nifandimby anefa izay, zary lasa nampalaza ity distrika ity ny fisesisesin’ny trangana tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro, fa isan’ny tena mahazo vahana ny resaka halatra omby sy ny asan-dahalo. Nosokajiana ho faritra mena mihitsy tamin’izay resaka halatra omby izay raha ny ao Mandoto. Na izany aza anefa tsy nanakana ny seha-pampandrosoana samihafa mampalaza ny distrika izany tranga izany. Ankoatra ireo tranga mahazatra amin’izay tsy fandriampahalemana izay, tsikaritra ihany koa fa miha mahazo vahana tao anatin’ny fotoana fohy ny olana ara-piaraha-monina, indrindra any amin’ireo fokontany manodidina. Nampivarahontsana ny iray tanàna ny zava-nitranga tao amin’ny Fokontany Miaramasoandro, Kominina Antanambao Ambary ny alin’ny 3 Septambra lasa teo. Tovolahy iray 29 taona no niharan’ny tsatok’antsy teo amin’ny tanany sy ny lamosiny rehefa iny ity farany hamonjy fodiana iny. “Tsy nisy nanampo ny hisehoan’ny trangan-javatra tahaka ireny, olona avy namangy ny ray aman-dreniny izay mipetraka tsy dia lavitra akory ny trano fononenan’izy mivady no avy hatrany dia niharana famonoana tahaka ireny”, hoy ny zokiny nitantara ny zava-nisy tamin’io fotoana io.

Ny zokiny mihitsy no nokendrena…

Raha ny fanadihadiana sy ny fidinana ifotony tany an-toerana, nakana ny vaovao sy hanamarinana ary hitadiavana ny tena fototry ny famonoana, dia nambaran’ny fianakaviana fa ity zokiny ity mihitsy no efa nokendren’ireo tsy mataho-tody ho vonoina kanefa nifototra tany amin’ny zandriny izany. Tsy fantatra mazava ny tena fototry ny famonoana fa nosokajian’ny mpanao famotorana ho olana ara-piaraha-monina no niseho tao amin’ity fokontany ity, tamin’io fotoana nisehoan’ny famonoana io. Mifamahofaho be eny ihany anefa ny vaovao rehetra manodidina ny raharaha rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana, niainga tamin’ny fihainoana ny vavolombelona sy ny fianakavian’ny maty. Voalaza tamin’izany fa misy hidiran’ny resaka fialonana ity raharaha ity, noho ireto fianakaviana ireto samy mifototra amin’ny resaka fambolena ka manodina ny vokatr’izy ireo any amin’ny mpandray izany, izay samy efa mahafantatra avokoa ireo mpisehatra rehetra raha ny ao amin’ity fokontany ity manokana.

Tsy nampiraika ny lehiben’ny fokontany

Anisan’ny mampametra-panontaniana ny fianakavian’ny maty anefa ny zava-misy ankehitriny manoloana ny fanohizana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Raha tsiahivina tokoa mantsy, tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga, tsy mbola nametraka fitoriana ny olona mety nahian’izy ireo ireto fianakaviana ireto, noho ny tsy fahampian’ny porofo teo am-pelatanana, fa nihanona fotsiny ihany tamin’ny fandravonana ny resaka nentin’ireo olona mijoro vavolombelona. Amina trangan-javatra tahaka itony, indrindra fa ny any ambanivohitra, dia misy hatrany ny fiaraha-mientan’ny mpiray tanàna sy ny fokonolona amin’ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy. Tsy izay anefa ny zava-niseho satria tsy niraika akory na nieritreritra ny hanao izany ny lehiben’ny fokontany, ity farany izay fantatra ihany koa fa fianakavian’ireo voapanga sy ahiana ho nahavanon-doza. Herinandro vitsy taorian’izany anefa, nitrangana halatra omby ny tao amina fokontany manodidina tsy lavitra an’i Miaramasoandro, izay nahaverezana omby maro. Tsy vitsy ny olona nohenoana sy nanaovana fanadihadiana tamin’ity tranga iray ity, ary tafiditra tao anatin’izany ilay lehilahy noahiahian’ny fianakaviana ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny famonoana ny zanak’izy ireo. Nifanindran-dalana tamin’ity halatr’omby ity anefa ny fanadihadiana nataon’ny zandary mpanao famotorana, ka nampandrenesen’izy ireo ny fianakavian’ny maty mba hametraka fitoriana tamin’ilay lehilahy efa noahiahian’izy ireo hatrany amboalohany ho nahavan-doza.

Mpiray tsikombakomba maromaro

Taorian’ny fakana am-bavany ity farany, anaran’olona maro no voatonona ho isan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny famonoana ity tovolahy ity, izay tsy maintsy mbola hanaovana fanadihadiana ihany koa. Nisy tamin’ireo voarohirohy no lazaina ho nanakarama an’ilay neritreretina ho namono, teo ihany koa ireo nanampy tamin’ny fanatanterahana mivantana ny asa ratsy. Rehefa vita ny fihainoana ireo voapanga rehetra teo anivon’ny zandarimaria tao Ambatotsipihina, dia nikatra fitsarana ny raharaha ny volana Oktobra lasa teo tao amin’ny fitsarana Antsirabe, ka nohafahana noho ny tsy fahampian’ny porofo hitanana azy ireo, ireo nahiahiana. Tsy nahafapo ireto fianakaviana ireto anefa izany didim-pitsarana izany, ka nametrahan’izy ireo fanohanana ny datin’ny 26 Oktobra mba ahafahana manohy ny fanadihadiana lalina mifandraika amin’ny raharaha.

Solombavambahoakan’i Mandoto…

Voatonona tao anatin’ity raharaha ity, noho ny hoe maha mpandray ny vokatra avy amin’ity lehilahy ahiahiana ity ny solombavambahoakan’I Mandoto. Ity farany raha ny nambaran’ny fianakaviann’ny maty dia nanatrika soa aman-tsara ny fotoam-pandevenana niaraka tamin’ilay tovolahy mety ho namono ny havan’izy ireo. Nampanantena anefa ny depiote fa hanampy ny fianakaviana amin’ny fitadiavana ny marina momba ity raharaha ity. “Manaiky aho fa mpiara-miasa amiko ity tovolahy ampangaina ity, kanefa raha misy ny porofo ahafahana mitazona azy dia manana zo feno ianareo fianakaviana hitory azy”, hoy ity solombavambahoaka ity, raha nifampiresaka tamin’ireo fianakaviana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby. Nisy mihitsy ity tranga tao Miaramasoandro ity, ary tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza dia nidina ifotony avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimaria, hanao ny fanadihadiana hoy ny komandin’ny kompanian’i Mandoto, ny Capitaine Rabemananjara Irinjaka. Mety ho olana hampihisitra ny fanohizana ny fanadihadiana na dia efa eny anivon’ny fitsarana aza ny raharaha ny tsy fahampian’ny porofo hitazonana ireo voapanga ireo.

Inona àry no tena zava-misy marina? Iza no tompon’antoka tamin’ny famonoana ity tovolahy ity? Aorian’ny fotoam-pitsarana ny 18 Novambra izao no ahafantarana ny valin’ireo fanontaniana mifandraika amin’ity raharaha nitranga tao Miaramasoadro, Kominina Tanambao Ambary, distrikan’i Mandoto ity.

Tsy fandriampahalemana: efa manomboka voafehy

Ezaka goavana no tsy maintsy atao entina miady amin’ny trangana tsy fandriampahalemana hoy ity komandin’ny kompanian’i Mandoto ity. Ekena, hoy izy, fa tsy afa-bela amin’ny asan-dahalo ity distrika ity hatramin’izay kanefa efa manomboka voafehy izany amin’izao fotoana izao. Ny 80% amin’ireo trangana tsy fandriampahalemana madinika miseho ao amin’ny renivohitry ny distrika dia saika voavaha ara-dalàna avokoa. Trangana tsy fandriam-pahalemana miisa telo no tena mateti-piseho ao amin’ny Distrikan’i Mandoto, dia ny halatra omby mitam-piadiana, ny fanafihana mitam-piadiana ary ny fanafihana an-dalambe. Raha ny halatr’omby mitam-piadiana manokana, tranga miisa 20 no niseho tao amin’ny distrika tao anatin’ny 2021 ary voahavaha avokoa ny 80% tamin’ireo. Ny 16 tamin’ireo omby nangalarina no efa tafaverina tamin’ny tompony. Voadidina distrika miisa telo hafa, izay samy mafana amin’ny asan-dahalo raha ny distrikan’i Mandoto, ary saika mifaningotra amin’ireo distrika ireo ny asan-andalo miseho ao an-toerana. Ny volana Jona lasa teo no tranga goavana indrindra niseho tao Mandoto nanafihana dahalo 80 lahy, izay nahaverezana omby hatramin’ny 60 mahery ary nahafaty fokonolona miisa 4. Tsy nahitana tranga firy kosa ny fanafihana mitam-piadiana sy ny an-dalambe tato ho ato. Mafy ny fisorohana ary mametraka ny ceinture de securité any amin’ireo toerana fieren’ny dahalo, toy ny ao amin’ny kizon’I Begoavy, kizon’i Lavaratsy sy Beombalahy izay mampifandray amin’ny distrikan’I Miandrivazo sy Tsiroanomandidy ary ny ao Imoro mampifandray amin’I Ambatofinandrahana.

 

Fermer