
Songadim-baovao
Olana momba ny taratasin’omby : Mangataka fihaonana ireo mpisehatra voakasika, ny Holafitry ny dokotera veterinera
Mba hamahana ny olana momba ny taratasin’omby, nanambara ny Filohan’ny Holafitry ny dokotera veterinera, Rakotosamimanana Josoa omaly, tetsy Ambatobe, fa « mitaky fihaonana haingana eo amin’ireo mpisehatra voakasika ». Isan’izany ny minisiteran’ny Atitany, ny minisitera lefitra misahana ny fiompiana, ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary ny minisiteran’ny Toekarena.

Mba hamahana ny olana momba ny taratasin’omby, nanambara ny Filohan’ny Holafitry ny dokotera veterinera, Rakotosamimanana Josoa omaly, tetsy Ambatobe, fa « mitaky fihaonana haingana eo amin’ireo mpisehatra voakasika ». Isan’izany ny minisiteran’ny Atitany, ny minisitera lefitra misahana ny fiompiana, ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary ny minisiteran’ny Toekarena. Tafiditra ao koa ireo teknisianina eny ifotony, mba hijerena ny vahaolana maharitra momba ny olana mahakasika ny taratasin’omby, indrindra ny famenoana ny « Fiche Individuelle de Bovidés » na ny FIB. Tanjona, ny mba tsy hikatsoan’ny raharaham-pirenena momba ny omby. Efa nisy, araka izany, ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no nifanakalo hevitra tamin’ireo Holafitry ny dokotera veterinera, nandritra ny adiny roa. Nazava ny fifampiresahana teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, saingy tsy tokony ho nijanona teo anivon’izy ireo ihany fa miitatra amin’ireo minisitera misehatra voalaza ireo. Anisan’ny tena olana fototra ny fampiharan-dalàna, izay tsy tafapetraka araka ny tokony ho izy ny fampiharana azy, izay miteraka olana. Ny Holafitry ny dokotera veterinera, dia miaro araka ny lalàna ireo mpitsabo biby. Nanterin’ny Holafitry ny dokotera veterinera fa ny « Officiers de police judiciaire » na OPJ ihany no tokony hanatanteraka ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ny resaka fahadisoana, raha toa ka misy tanterahin’ny dokotera veterinera satria izy ireo no mahalala tsara ny asan’izy ireo.
Dokotera veterinera roa naiditra am-ponja

Tiana ny mampahatsiahy fa isan’ny nahatonga ny Holafitry ny dokotera veterinera nampiaka-peo ny fisiana dokotera veterinera roa nanao ny asany naiditra am-ponja vonjimaika, noho ny voalaza fa maha voasaringotra azy ireo amin’ny resaka famotsiana omby halatra. Ireo dokotera veterinera roa nogadraina ireo, raha ny fanazavana dia avy any Farafangana, izay ary notazomina ao amin’ny fonjan’i Manakara. Ny faharoa kosa indray, dia mpitsabo biby any Antsalova, nampidirina am-ponja any amin’iny faritra Melaky iny, izay samy voarohirohy avokoa momba ny resaka famotsiana omby. Nanasonia taratasin’ny bokin’omby, no nataon’ireo mpitsabo biby ireo. Tsy andraikitr’izy ireo velively no hahafantatra fa omby halatra na tsia no nomeny taratasy. Voampanga noho ny resaka fanadiovana taratasin’omby halatra izy ireo. Miangavy ny tomponandraikitra izy ireo, hamoaka tsy misy fepetra ireo dokotera veterinera roa voatana vonjimaika any am-ponja ireo. « Tompon’antoka amin’ny fanamarinana ny fahavitan’ny vaksiny amin’ny omby voasoratra anaty taratasin’omby ny veterinera. Noho izany, tokony tsy hanao sonia ny FIB, raha tsy nanamarina tsara, araka ny didy aman-dalàna, ny bokin_omby », hoy ny Dr Raymond, Minisitra Lefitra misahana ny fiompiana. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ny toe-draharaha.




