PolitikaSongadim-baovao

OLAN’NY FAHATAPAHAN –JIRO: Tsy manam-bahaolana azo antoka ny Jirama

Taorian’ny tsy naneken’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoronafo hamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety  afak’omaly, mahakasika ny olan’ny fahatapahan-jiro ankehitriny, dia ny tale jeneraly lefitra misahana ny famokarana herinaratra eo anivon’ny Jirama no niakatra tao amin’ny fahitalavi-pirenena omaly nitondra fanazavana momba ny zava-misy ankehitriny. Nitsotra ity tomponandraikitra ity fa mbola tsy azo ihodivirana ny delestazy na ny olan’ny fahatapahan-jiro raha ho an’ity taona ity manokana. Antony maro moa no nambarany tao anatin’izany, ka isan’izany ny nahalasa aloha loatra ny main-tany tamin’ity taona ity, ka mahatonga ireo toby mpihary herinaratra avy amin’ny rano misedra olana amin’izao fotoana. Manampy trotraka an’izany koa ireo fahasimbana fitaovana isan-karazany izay vao maika manamafy ny olan’ny famatsiana herinaratra.

Misy ihany ny vahaolana azo aroson’ny Jirama, toy ny fampihodinana ireo milina roa ao Antsirabe izay hamatsy ny tambazotra iraisana Antananarivo   (RIA)    , sy ny fampidirana ilay toby famokarana angovo azo avy amin’ny masoandro eny Ambatomirahavavy ao anatin’ny RIA ihany koa, saingy tsy hanafoana ny delestazy izany, araka ny fanazavana.

Hatreto araka izany, dia mbola mitoetra ho olana goavana tsy voavaha , ary manimba endrika ny Fitondrana Rajoelina hatrany ny olan’ny fahatapahan-jiro. Fiharian’olona maro no simba vokatry ny delestazy, ary tsy hahafahan’ny vahoaka misitraka ny zo farafahakeliny tokony hananany amin’ny resaka angovo izany. Vao maika koa anefa manampy trotraka ny fahasorenana any amin’ny vahoaka ny tsy fanomezan’ireo tomponandraikitra voakasika isan’ambaratongany fanazavana mazava sy ara-potoana momba ny zava-misy marina, hany ka tsy vitsy ireo mitroatra.

Ny Fanoratana.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer