PolitikaSongadim-baovao
OLAN’NY HERINARATRA, RANO, LALANA,… : Andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Depiote sy ny Governemanta anio sy rahampitso
Fotoan-dehibe fanararaotra ho an’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara ny fotoana hifanatrehana amin’ny Governemanta, toy ny anio sy rahampitso, mba hahafahana mitatitra ireo sehatra mbola tena marary ny vahoaka eny ifotony. Raha ny zava-misy ankehitriny, dia heverina fa ho ivon’ny adihevitra eo amin’ny Andrimpanjakana roa tonta ny olan’ny herinaratra sy ny orinasa Jirama, izay mbola tena mampikaikaika ny vahoaka ankehitriny, ary manaratsy endrika mihitsy ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina. Fihariana’olona maro no potika noho ny resaka herinaratra. Tsy eto Antananarivo ihany izany fa saika manerana ny Faritra maro. Tsy fialantsiny intsony ny andrasan’ny mpanara-baovao fa vahaolana. Ka ny fotoana hihaonan’ny Depiote sy ny Governemanta toy izao no hahafahan’ny Minisitra tomponandraikitra mitondra izay vahaolana izay.
Ankoatra ny resaka angovo dia mbola mitoetra ho olana iainan’ny vahoaka eny ifotony ny resaka rano. Antenaina fa hitondra fanazavana misimisy kokoa momba izany ny tomponandraikitra voakasika. Etsy ankilany, ny resaka lalana, tsy fandriampahalemana, ny vidin’entana, dia mbola ho isan’ny adihevitra ihany koa.
Misy ihany koa moa ireo raharaha mafana hafa izay heverina fa mety mbola ho asian’ireo Solombavambahoaka resaka toy ny raharaha Base Toliara, ireo ampamoaka samihafa mandeha eny amin’ny tambazotran-tserasera, sy ny sisa hafa koa.




