PolitikaSongadim-baovaoToekarena

OLAN’NY LAVANILA: NY TENA ZAVA-MISY MARINA

Azo antoka fa anisan’ny lohahevitra hafana amin’ny fampielezan-kevitra ho avy, amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny resaka lavanila. Nampangaina ho tompon’antoka hatrany ny Fitondram-panjakana amin’ny fitotongan’ny vidina lavanila ankehitriny. Fa inona no tena zava-misy marina? Tafiditry ny mpanao politika ilay sehatra ka anisan’ny antony iray lehibe manapotika azy ankehitriny.

Tsy mitombona ny fanenjehana ny Fitondram-panjakana notarihin’Andriamatoa Andry Rajoelina ho tompon’antoka amin’ny vidin’ny lavanila lasa ambany dia ambany amin’izao fotoana izao. Ny zavatra novoizin’ny mpanohitra dia hoe ny fidiran’Andriamatoa Mamy Ravatomanga, mpandraharaha goavana akaiky ny Filoham-pirenena teo aloha, no fositra. Kanefa ny tena zava-nisy marina, mila fantatry ny besinimaro, indrindra ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny faritra mpamokatra tahaka ny SAVA sy Analanjirofo, dia voafitaka tanteraka izy ireo satria nidiran’ny mpanao politika, mifandray tendro amin’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila sasany efa zatra tsy namerim-bola teto Madagasikara sy tsy mpandoa hetra ny sehatra. Raha tsiahivina dia novoizin’izy ireo, namoronana fihetsiketsehana sy korontana mihitsy ny hoe fitakiana ny fanalalahana ny sehatry ny fanondranana lavanila. “Fanalalahana gaboraraka no misy, tsy hisy fitsipi-pifehezana intsony eo amin’io sehatra io, vao maika hamotika izany, indrindra manoloana ny olan’ny tahana nikôtinina izay mbola atrehintsika ankehitriny koa” hoy Andriamatoa Mamy Ravatomanga raha nampitandrina mikasika ny voka-dratsin’io fidiran’ny mpanao politika io amin’ity sehatra ity izy, iray volana lasa izay tamin’ny fandaharana manokana nataony tamin’ny fahitalavitra vitsivitsy teto an-drenivohitra.

Tsy maty voalavo an-kibo…

Mila ampahafantarina ny vahoaka ny tena zava-misy marina, fiarovana ilay sehatra no nataon’ny Fanjakana nanomboka ny taona 2020 kanefa dia izao very maina izao ny ezaka noho ny fiarovana tombontsoan’olom-bitsy nataon’ireo mpanao politika. 2 na 3 taona lasa izay. Rehefa nahita ny Fanjakana fa ny 90% ny mpanondrana lavanila dia tsy mamerina ny volany hody eto Madagasikara (rapatriement de devises) sady tsy mety mandoa hetra, dia nanapa-kevitra mba handamina ilay sehatra sy hitondra fanovàna. Satria hatramin’izay dia tsy nitondra tombony ho an’ny firenena mihitsy ny fanondranana lavanila, fa olom-bitsy no nigalabona tao. Napetraka ny rafitra CNV na ny komity nasionalin’ny lavanila, nahitana solotenan’ny Fanjakana 50% ary solotenan’ny sehatra tsy miankina kosa ny 50%. Anisan’ny mpikambana ao anatin’io CNV io, voafidin’ny mpandraharaha ho solotenany Andriamatoa Mamy Ravatomanga izay tena niady ho fiarovana ny mpamboly lavanila, kitro ifaharan’ity sehatra ity. Fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikambana rehetra, ary nankatoavina tamin’ny fivoriambe ny famerana ny vidin’ny lavanila maitso ho 75.000 Ariary farany ambany, ary ho 250 dolara kosa ny lavanila efa voaomana haondrana. Nahazo vahana ny tantsaha tamin’izany, sady tafiakatra hatrany amin’ny 90% n’ireo mpanondrana no namerina ny volany teto Madagasikara. Nanomboka nandeha tsikelikely ny fampiharana ny fanavaozana izay napetraka, niainga tamin’ny mpamboly, nandalo tamin’ireo mpanomana, ireo mpanondrana ihany koa. Efa hiditra tamin’ny fifanarahana tamin’ireo mpividy tany ivelany ny Fanjakana niaraka tamin’ny CNV, mba hampanekena azy ireo ny vidiny farany ambany 250 dolara, saingy tsy maty voalavo an-kibo kosa ireo efa zatra lalan-dririnina tany aloha ka nanakorontana tamin’ny fanakaramana ireo mpanao politika nalefa nidina tany amin’ny faritra SAVA, nitabataba ny hoe apetraho ny fanalalahana tanteraka. Namitaka ny mpisehatra toy ny tantsaha mpamboly izy ireo, nampanantena fa raha misokatra io sehatra io, mitombo ny mpandraharaha mahazo fankatoavana na “agrément” dia hiakatra ambony dia ambony ny vidin’ny lavanila. Marihina moa fa ireo mpandraharaha tao ambadik’ireo mpanao politika ireo ihany no nanao fanahiniana tsy nividy ny lavanilan’ny tantsaha tamin’ny vidiny 75.000 Ar mba ilazana hoe tsy mety ilay fameram-bidy farany ambany izay natao.

Fanalalahana gaboraraka

Voatery nidina tany an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany, efa voky lainga moa ny vahoaka ka rehefa nalaina ny heviny dia nanara-drenirano nangataka ny fanalalahana ihany koa izy ireo. Tsy azon’izy ireo an-tsaina ny mety ho fiantraikan’izany, “efa niteny mazava aho fa tsy mety io fanalalahana gaboraraka io, na teo anoloan’ny CNV na teo anoloan’ny mpandraharaha rehetra” hoy Andriamatoa Mamy Ravatomanga, “kanefa moa noterena ny Filoham-pirenena nandray izay fepetra izay. Lojika ary manana ny rariny izy raha nanapa-kevitra taorian’ny fidinany ifotony tany, hoe hampitomboana ny isan’ny mpanondrana omena fankatoavana, ary tsy ampiharina intsony ny famerana ny vidiny farany ambany na ho an’ny lavanila maitso na ho an’ny lavanila aondrana. Ankehitriny nefa, zara raha lafo 2.000 ariary na 3.000 ariary ny kilaon’ny lavanila maitso, tsy asian’ny sehatra iraisam-pirenena vidiny intsony koa ny lavanila aondrantsika noho izay zava-nisy taty Madagasikara izay. Aza ny Fanjakana, na ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga, na ny CNV no omena tsiny raha tsy nahomby ny fanalalahana gaboraraka natao, satria raha narahina hatramin’ny farany ny fanavaozana natao, dia tokony ho voatazona ny vidin’ny lavanila maitso 75.000 ariary ho fitsinjovana ny tantsaha. Ary tokony ho voatazona 250 dolara ny lavanila aondrana”. Hentitra moa ny tenin’Andriamatoa Ravatomanga, “anontanio an’ireo mpanao politika nandrabiraby ny tantsaha mpamokatra sy ny mpisehatra amin’izay ary ankehitriny, aiza ilay fampiakarana ny vidin’ny lavanila nampanantenain’izy ireo? Toa vao maika aza miharatsy ny toe-draharaha? Nitondra voka-tsoa ve ilay fanalalahana notakiana? Efa notanterahina ny fanirian’izy ireo, maninona no mbola mikaikaika tahaka an’io ihany ilay sehatra ankehitriny? ” hoy ihany izy.

Lainga afafy

Marihina fa ho an’ity taona 2023 ity dia nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana Aogositra lasa teo ny “campagne”, manahy mafy mikasika ny hoavin’ny sehatra lavanila Andriamatoa Mamy Ravatomanga, raha mitohy izao fanalalahana gaboraraka izao. “Misy fepetra tokony apetraka, mba ho voahaja ny kalitaon’ny lavanila Malagasy aondrana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tahaka ny tahan’ny nikotinina, ny fanamarinana na “certification”, ny fomba fambolena ny lavanila mba hamelana araka ny tokony ho izy sy ny sisa. Tsy ho voaaraka intsony izany amin’izao satria samy manao izay tiany noho ilay fanalalahana gaboraraka, vao maika hihen-danja any ivelany ny lavanila avy aty Madagasikara” hoy izy naneho ny fanahiany. 

Maro ny resaka lainga novoizina manodidina ity sehatra ity mba ho fanenjehana ny Fitondram-panjakana sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga, anisan’izany ohatra ny fivoizana fa manao ampihimamba na “monopole” an’io sehatra io ity farany, kanefa dia mpandraharaha hatrany amin’ny 80 mahery no nahazo fankatoavana. Rehefa nipetraka aza ny rafitra vaovao natao handinika ny fangatahana fankatoavana, ny Komitin’ny Lavanila Malagasy (CVM) eo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika, dia mbola nisy mpandraharaha ampolony nahazo fankatoavana. Tsy manana olana amin’izany mihitsy Andriamatoa Mamy Ravatomanga, araka ny efa nambarany, kanefa dia aely fa antony tsy fifankahazoana eo aminy sy Andriamatoa Andry Rajoelina izany. “Tsy misy olana mipetraka satria mbola manohy ny asany ny CNV ary anisan’ny manana solotena ao anatin’ny Komity vaovao natsangana”. Ny hirariana dia hizotra soamantsara ary hahomby ny taom-piotazana sy fanondranana 2023, “fa hotsarain’ny tantara ireo mpanao politika nanao fikaramana an’ady politika mba hamotehana io sehatra io” hoy Andriamatoa Mamy Ravatomanga namarana ny teniny.

Ny Fanoratana.

Fermer