Songadim-baovaoSosialyToekarena
OLAN’NY MPIANATRY NY ONIVERSITE: Ho vita afaka iray volana ny “Carte Bancaire”, Faritra maro hisitraka Oniversite vaovao
Vahaolana maharitra no apetraky ny Fitondram-panjakana manoloana ny olana miverimberina eny anivon’ireo Oniversite manerana ny nosy indrindra fa eo amin’ny fomba fanefana ny vatsim-pianarana.Nandritra ny tafa nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry Nirina tamin’ny vahoaka Malagasy ny Asabotsy lasa teo, no nanambarany fa afaka Iray volana dia hisitraka “carte Visa” ny mpianatra tsirairay eny amin’ireo Anjerimanontolo. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana ny hametrahana ny tetikasa “Digitalisation” eo anivon’ny Oniversite rehetra manerana an’I Madagasikara. Ny mpianatra sy ny mpandraharaha rehetran’ny Oniversite dia ahazo ity carte ity avokoa, mba ahafahana manamarina sy manara maso azy ireo, araka ny fanazavana hatrany. Izao no hatao, hoy ny Filoha, dia hentina hanavaozana sy hanatsarana ny fomba fiasa ary hisorohana ny kolikoly. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena ihany koa fa tsy hisy mpanelanelana intsony ny Fanjakana Foibe sy ny mpianatra amin’ny alalan’ity carte bancaire ity. Ity Farany izay tonga dia hivantanan’ny vatsim-pianarana sy ireo tosika maro samihafa hanohanan’ny Fanjakana ireo mpianatra, indrindra fa ireo hanomana Memoire. Ny “carte” ihany koa no entina hanavaka ireo tena mpianatra sy mpiasan’ny oniversité amin’ireo olona mpisandoka na ilay antsoina hoe “matoatoa” izay tena mambotry ny firenena. Nandritra izany no nilazany fa maimaim-poana ny “carte” ary tsy hisy sarany na “frais”.
Miasa sy manohana ny mpianatra ny Fanjakana
Mihazakazaka ary azo tsapain-tanana ny asa vita nandritra ny roa taona nitondrana, hoy ny Filoha, nandritra ny valandresaka nataony. Anisan’ny natao lohalaharana ny fametrahana ny Oniversite isam-paritra, araka ny nambarany. Oniversite fito no efa andalam-pahavitana raha toa ka maro ireo mbola haorina. Ny ao amin’ny Faritra Itasy no hotokanana tsy ho ela raha madiva ho vita ny any Antsirabe, Fenoarivo Atsinana, Antalaha, Taolagnaro, Antsohihy ary ny any Morondava, raha tombanana hisitraka izany ny Faritra rehetra manerana ny Nosy anatin’ny dimy taona hiasana, hoy hatrany izy nanamafy. Notsipihiny mazava fa atao mifanaraka amin’ny filan’ny Faritra hiorenany ireo Oniversité ireo mba hahafahana mamorona asa mifandraika amin’ny fianaran’ireo mpianatra aorian’ny fianarana hataony. Nanao antso avo ho an’ireo mpianatra ny Filoham-pirenena ny mba haharetan’izy ireo sy hiandrasana ampitoniana ny lamina apetraky ny Fitondram-panjakana. Nampanantena ny hanolo-tanana ny mpianatra Malagasy ihany koa ny filoha ary tamin’izany no nilazany fa vonona hanao ny ezaka rehetra tsy vita nandritra ny 60 taona izy hanarenana ny fampianarana eto Madagasikara.
Sata (mpianatra asa)




