Non classé

OLAN’NY VETERINERA Namoaka fanambarana ny Holafitra, soso-keviny ny hampiatoana vonjimaika ny FIB

Miatrika olana ny tontolon’ny fandraharahana ny omby, ankehitriny, raha ny namafisin’ny teo anivon’ny Holafitry ny dokotera veterinera eto Madagasikara. Anisany mibahan-toerana anatin’izany ny olan’ireo veterinera eto Madagasikara, izay namoahan’izy ireo fitakiana vitsivitsy tamin’ny alalan’ny Sendikà-ny. Ho famahana ny olana, soso-kevitra naroson’ny holafitra ity ny hampiatoana vonjimaika ny FIB…

Ny Holafitra nasionalin’ireo dokotera veterinera eto Madagasikara (ONDVM), dia fantatra fa voafehin’ny lalàna laharana 2006-030 tamin’ny 24 novambra 2006. Araka ny voalaza amin’ny andininy faharoa ao anatin’izany lalàna izany, dia nanapa-kevitra ny handroso soso-kevitra ny Holafitry ny mpitsabo veterinera nasionaly eto Madagasikara, manoloana ny olana mitranga eo anivon’ny veterinera eto Madagasikara, amin’izao fotoana, izay tapaka nandritra ny fivoriam-be ara-potoana natao ny andron’ny alakamisy 28 oktobra 2021 lasa teo, nifarana omaly zoma 29 oktobra 2021.

Mikaroka vahaolana entina hamahana ity olan’ny veterinera ity, ny Filohan’ny holafitra

Nambaran’ny Filohan’ny Holafitra nasionaly dokotera veterinera eto Madagasikara, Rakotosamimanana Josoa, izay nitondra ny fanambarana, fa anisan’ireo soso-kevitra atolotr’izy ireo ny fampiatoana vonjimaka ny « Fiche Individuelle de Bovin » (FIB) eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Namafisiny, fa rehefa hitan’ny tompon’andraiki-panjakana kosa ny bokin’omby izay voamarina fa vita vaksiny, dia tanterahina avy hatrany ny « Fifampivarotana » sy ny « famenon’ny Pasipaoron’omby », mbamin’ny fanampin’izany. Anton’izany, hoy ireo holafitra nanao ny fanambarana, dia nohon’ny fisian’ny distrika tsy mampiasa FIB, toy ny ao Maroantsetra, Mananara Avaratra, Beloha Androy, izay isian’ny kaominina roa manao FIB, raha misy enina tsy manao izany. Angatahan’ny holafitra koa ny hisian’ny fihaonana haingana araka izay azo atao, eo aminy sy ny minisitera voakasika, toy ny Minisiteran’ny Atitany, ny Minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ary ny Minisiteran’ny Toekarena sy fitantanam-bola, ampian’ireo teknisiana manatanteraka ny asa eny ifotony, hijerena miaraka izay vahaolana maharitra. Fanirian’izy ireo koa ny handraisan’ny « Officier de Police Judiciaire » (OPJ) eo anivon’ny Minisitera lefitra misahana ny Fiompiana, ny fanaovana fanadihadiana ireo veterinera sendra manao fahadisoana teo am-panatanterahana ny asany. Ny Didim-panjakana laharana 2012-829 tamin’ny 08 septambra 2012 no mifehy ny asan’izy ireo, raha ny nambara.

Tapitra ny 48 ora nanatanterahan’ny Sendika fitokonana fanairana…

Tapitra omaly koa, ny fitokonana fanairana notanterahin’ny Sendikan’ireo dokotera veterinera nandritra ny 48 ora, nanomboka ny alakamisy 28 oktobra 2021 lasa teo. Anton’izany, raha tsiahivina, ny voalaza fa tsy mbola nahazoana valiny mahafa-po tao anatin’ny 72 ora ireo fitakiana nataon’izy ireo tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa. Anisan’izany ny hamoahana ireo veterinera telo naiditra am-ponja vonjimaika. Tao koa ny niantsoan’izy ireo ny Governemanta handray andraikitra amin’ny fampiharana ny didy aman-dalàna mifehy ny asan’izy ireo, izay hitany fa misy fihoaram-pefy. Ny fangatahana fampiharana an-tsakany sy andavany ny voalazan’ny Naoty fampahafantarana mikasika ny fanaovan-tsonia ny « certificat sanitaire » ao anatin’ny FIB, izay andraikitry ny veterinera. Io fitokonana nandritra ny 48 ora io, raha tsiahivina, no nanatanterahan’ireo veterinera rehetra manerana ny Nosy ny tsy fanaovana sonia anatin’ny FIB. Namafisin’ny Filohan’ny sendikan’ny dokotera veterinera eto Madagasikara, Ranaivosolofo France, tamin’izany, fa « tsy misy sonia atao anatin’ny 48 ora, ary tsy hahita sonia ny rehetra anatin’izany, ka ialana tsiny ho amin’izay mety ho fandikan-dalàna hafa miseho any ambadika ». Nambarany, fa ny veterinera ihany no manome baiko mikasika ny omby azo vonoina na tsia. « Ny zava-misy anefa, ny zandary indray no manome baiko hamonoana omby any an-kianja sasany, izay mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna misy, ary mety hanapoizina ny vahoaka mpanjifa ka ialanay tsiny dieny mialoha », nanampy fanazavana ny dokotera France. Raha ny fanampim-panazavana hatrany, raha misy omby novonoina ka mbola manana « certificat » ara-dalàna, izany hoe miditra labatoara, dia ireo omby rehetra tratran’io roa andro io dia afaka tanterahin’izy ireo hatao sonia, raha mivaly ny fangatahan’izy ireo, izay takiany eo anivon’ny Fitsarana mahefa. « Raha misy kosa fifampiziriziriana dia hisy fepetra mafy kokoa horaisina manomboka ny sabotsy izao », hoy ny Filohan’ny sendika ity. Fantatra, araka izany, fa hisy ny fanambarana hotanterahin’ny Sendikan’ny Veterinera manerana ny Nosy, anio. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha eo anivon’ny veterinera eto Madagasikara, ity.

Tonga maro ireo veterinera nandritra io hateloana nandinihana vahaolana io
Fermer