KolontsainaSongadim-baovao

OLIRAVINA MADAGASIKARA 2022: Hotohanan’ny Minisitera i Antsaly Rajoelina

« Fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny tanora niharan’ny herisetra ara-nofo », tetikasa  izay  nentin’i Antsaly Rajoelina  ny maha oliravina (miss) azy tamin’ny fifaninanana « Miss Madagascar » ny volana Aprily  teo.  Anisan’ny antony nosafidianany ny lohahevitra ny zava-nisy nihatra taminy fony izy zaza, izay nahatsapany fa mendrika ny arovana ireo olona niharan’ny herisetra fa tsy vitan’ny raharaham-pihavanana fotsiny. Ho entiny  indray, araka izany, ny faneva malagasy eo amin’ny sehatra iraisampirenena amin’ny  fampahafantarana sy ny fanamafisana ity lohahevitra  ity. “Io no tetikasa amin’ny asa sosialy izay ataony ao anatin’ilay  « Beauté pour cause »  amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena  « Miss Monde », ary   hitsarana ihany koa ny mpandray anjara rehetra”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisitera tomponandraikitra omaly.   Ny  volana  Desambra ho avy izao no hanomboka ny fifaninanana Miss Monde.

« Vonona hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, manohana ireo tanora malagasy mitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy any ivelany tahaka ny fahavononan’ireo oliravina misafidy tranga iray ho tohanana », raha ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.

Tovovavy 23  taona  i  Antsaly Rajoelina,  nanaraka ny lalam-piofanana momba ny Fitantanana orinasa ( Administration d’entreprise) izay nahazoany ny mari-pahaizana lisantsa. Mpanao fanatanjahantena izy.  Efa tompondakan’i Madagasikara ny  tenany ary nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana hazakazaka.

Tsiahivina fa nisalotra ny maha oliravina 2022 azy i Antsaly Rajoelina, solotena amin’ny Faritra Analamanga ny Alatsinainy 18 Aprily 2022. Manaraka azy kosa ireo tovovavy  avy any amin’ny Faritra   Fitovinany sy Faritra  Boeny. Tsy niompana fotsiny amin’ny fitsarana ny  hatsaran-tarehy ny fifaninanana.   Anisan’ny fepetra takiana amin’izany ny fananana  tetikasa hanasoavana ny mpiara-belona sy ny fahaizana manohana izany, ny fandresen-dahatra amin’ny fitondran-tena miaraka  amin’ny mpifaninana.

Ranto Mamitiana (Mpianatra asa).

Fermer