
Non classéSongadim-baovaoToekarena
OLONA AN’HETSINY HISITRAKA TOMBONTSOA : Miverina ny zotra an-dalamby mampitohy an’i Moramanga sy Toamasina
Ela no niandrasana ny fiverenan’ny zotra an-dàlamby mpitatitra olona miala ao Moramanga ka hatrany Toamasina. Niverina indray izany manomboka omaly 01 jona, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana.
Efa maherin’ny efa-taona izao no tsy nisy intsony ny zotra an-dalamby (TCE) mampitohy an’i Moramanga sy Toamasina, izay mampifandray Kaominina miisa 22. Betsaka ireo toerana mitoka-monina tanteraka noho io fiatoana io, satria sady tsy tongan’ny fiara ihany koa. Mponina an’hetsiny no nisedra fahasahiranana tao anatin’izany, indrindra amin’ny famoaham-bokatra, ny fitondrana marary sy ny fifamezivezena amin’ny ankapobeny. Fanambin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, noho izany, ny hamerina indray ity zotra an-dalamby ity, toy ny FCE any Fianarantsoa izay efa niverina ny 26 Mey teo. “Zava-dehibe tokoa ny famerenana indray ny zotra an-dàlamby tahaka izao ary tanjon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo Velirano napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fampivoarana an’I Madagasikara hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny”, hoy ny Minisitry ny Fitaterana, Ramonjavelo Valéry.
Hanamora ny fivezivezena
Rehefa ela niandrasana, noho izany, ny fiverenan’ny zotra an-dàlamby mpitatitra olona miala ao Moramanga ka hatrany Toamasina, dia niverina indray izany nanomboka omaly 01 jona, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Governora ny Faritra Atsinanana, ireo tomponandraiki-panjakana amin’ireo toerana andalovan’ny zotra TCE, ary indrindra ireo mpiasan’ny MADARAIL izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny zotra an-dàlamby TCE, nahatontosa izao fiverenan’ny zotra izao. “Natao indrindra hanamorana ny fifamezivezen’ny mponina amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana ny zotra an-dàlamby TCE, ary indrindra hamoahana ireo vokatra sy entana ilain’ny mponina amin’ny fihariana sy ny fiainana andavanandro”, hoy ny fanazavan’ny Minisitra. Noho izany, ankafaliana tanteraka no nanokafana indray ny zotra tamin’ny fomba ofisialy sy nandraisana ireo fiaran-dàlamby vaovao ampiasain’ny Madarail amin’ny fitaterana olona izay ahitana ny 1ère classe mahazaka olona 64 ary ny 2ème classe mahazaka olona 216.
Maharitra 12 ora ny lalana Moramanga – Toamasina ataon’ny Dia Tsara, noho ny fijanonana amin’ireo “gares” miisa 23 izay andalovany, satria ny antom-pisian’ny zotra an-dàlamby mpitatitra olona dia ny mba hahafahan’ireo toerana rehetra andalovany misitraka ny fifamezivezena. Efa mijery akaiky sahady ny amelomana ihany koa ny zotra Moramanga-Lac Alaotra (MLA) ny Minisitera mpiahy ankehitriny ho fampivoarana hatrany ny fitaterana manerana ny Nosy.



