
Songadim-baovao
OLONA MANANA FAHASEMBANANA: Ny vehivavy no tena iharan’ny fanilikilihana
Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy no tena iharan’ny fanilikilihana eo amin’ny fiarahamonina, raha ny nambaran’ny Filohan’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (AFHAM). Afaka hialana tanteraka, anefa izany, amin’ny alalan’ny fihoarana amin’ny fiainana, mba hahafahan’izy ireo manapa-kevitra sy mivoatra…
Ny vehivavy sembana dia iharan’ny fanavakavahana hatrany, eto amintsika, raha oharina amin’ny sembana lehilahy, araka ny nambaran’ny Filohan’ny fikambanan’ireo vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (AFHAM), Razafinjato Fela. Manatombo aza izany, eo amin’ny ara-pahasalamana, fa indrindra eo amin’ny ara-pananahana sy eo amin’ny sehatr’asa, raha ny nambarany. « Misy mieritreritra fa tsy azo vadiana ireo vehivavy manana fahasembanana, tsy afaka miteraka, tsy manana filàna ara-nofo, tsy mety ho Reny, sy ny sisa. Tsy mahagaga raha ohatra ka maro ny vehivavy sembana tratran’ny antsoina hoe « Ligature » atao an-kolaka. Misy, aza ireo bevohoka dia ny olona tena akaiky azy mihitsy, toy ny fianakaviana ihany no mamporisika azy ireo hanala zaza, izay tsy safidin’izy ireo akory, ary amin’ny fotoana fiterahana vao tena mitranga izany », nanampy fanazavana ny tenany. Fantatra ihany koa, fa misy amin’ny olona sasan-tsasany eny anivon’ny fiarahamonina misy ireo vehivavy sembana, no tsy vitan’ny manilika azy ireny fotsiny, fa mahasahy manapa-kevitra amin’ny fiainan’izy ireo mihitsy, noho ny tsy fananan’izy ireo mpiaro, eo koa ny tsy fananan’ny sasany amin’izy ireo fahaizana sy fahalalana hoenti-miotra amin’ny fiainana. Izany indrindra no antom-pisian’ny fikambanana AFHAM, izay mijoro ara-dalàna hiaro ny zon’ny vehivavy manana fahasembanana, ho fanampiana azy ireo eo amin’ny sehatry ny fampivoarana fiainana amin’ny lafiny rehetra.
Afaka miotra amin’ny fiainana na sembana aza…

Tsy ny olona manana fahasembanana rehetra no tsy afaka mivoatra amin’ny fiainana, raha ny fantatra, saingy miankina amin’ny fahasembanana misy eo aminy. Ho an’ny fikambanana nijoro vavolombelona ity, ny tanjony dia ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo vehivavy manana fahasembanana miditra ao aminy. Araka izany, tsy hiady ny zon’izy ireo fotsiny ihany no antom-pisian’ny fikambanana, fa ny hivoahan’izy ireo amin’ny fiainana, hananany anton’asa mazava, hahafahany manapa-kevitra eo amin’ny fiainany, hanajan’ny fiarahamonina azy ireo. Nisy ny fijoroana vavolombelona vitsivitsy nataon’ireo vehivavy sembana, tetsy amin’ny Parvis Analakely, nandritra ny hetsika nataon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana, omaly io. Araka izany, nambaran’ireo nijoro vavolombelona, fa mila mivonona mandrakariva miatrika fiainana ireo manana fahasembanana. Tsy ratsy akory ny olona manana fahasembanana fa toy ny olona rehetra ihany, afaka miantsehatra amin’ny zavatra rehetra toy ny hafa, amin’ny alalan’ny fikasan-tsainy hivoatra sy hiotra amin’ny fiainana na tsy misy fanentanana, aza. Maro amin’izy ireo, araka izany, no tsy ambakan’ny tsy manana fahasembanana fa tafavoaka amin’ny fiainana, manana anton’asa toy ny rehetra. Zary lasa fiainan’izy ireo koa ny fiaraha-miaina amin’ny samy sembana, toy izany koa ireo olona mitaiza sembana, mahatsiaro fahasambarana eo am-pikarakarana azy ireny. Tsy misy fahasamihafana tokoa ny fihoarana amin’ny fiainana, na sembana na tsia…
Tsy misy antontanisa mikasika ny vehivavy sembana…
Raha ny marina, fantatra fa tsy misy ny antontanisa mazava ho an’ny olona manana fahasembanana maneran-tany. Ny isa natolotra hatramin’izay dia niankina betsaka tamin’ny tombatombana nataon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS), sy ny Banky iraisam-pirenena. Fantatra avy amin’izany ary, fa ny 10% ka hatramin’ny 15%-n’ny mponina maneran-tany no manana fahasembanana. Ny 52% kosa dia vehivavy avokoa. Ho an’ny eto Antananarivo manokana ohatra, manodidina ny 1 500 000 eo ho eo ireo vehivavy manana fahasembanana, raha oharina amin’ny isan’ny mponina eto, miainga amin’io antontanisa azo maneran-tany io.
Misehatra amin’ny lafiny maro ny vehivavy sembana
Ny sehatra iasan’ireo vehivavy sembana, dia fantatra fa manenika fiarahamonina maro. Anisan’izany ny amin’ny sehatry ny orinasa, izay hanaovan’izy ireo fanentanana amin’ny tokony hanajana ny zon’ny vehivavy sembana. Fa amin’io sehatra io koa no hanaovan’ny fikambanana misy azy ireo fifanarahana amin’ny vondron’ny mpandraharaha, mba hanome sehatra azy ireo hiasa an-kalalahana. Anisany hiantseharan’izy ireo koa eny amin’ireo ivon-toeram-panofanana (Centre professionnel) rehetra. Fa fanaon’ny fikambanana toy izao koa ny mitady mpampiofana manokana, hampiofana azy ireo arak’asa. Ho an’ny fikambanana AFHAM manokana, manodidina ny 600 eo ny mpikambana ao aminy. Hankalaza ny faha-10 taonany koa ny fikambanana amin’ny taona ho avy io. Omaly no nankalazaina tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana.





