Fanadihadiana ManokanaSosialy
OLONA MANANA OLANA ARA-PAHITANA: Mitaky fanamafisana ny fampiatiana eny amin’ny fiarahamonina
Ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tehina fotsy dia manamafy indray ny fitakian’izy ireo mahakasika ny fampiatiana eny anivon’ny fiarahamonina ireo olona manana olana ara-pahitana. Notanterahina tany Antsirabe omaly ny fanamarihana nasionaly io andro io izay nanasongadinana ny fampananan’asan’ireo olona jamba…
Ankalazaina isaky ny datin’ny 15 oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny “Tehina Fotsy”. Ny tehina fotsy izay fantatry ny rehetra fa fitaovana fampiasan’ireo olona manana olana ara-pahitana. Araka ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra, fitaovana iray ho an’ny olona jamba ka entiny mifindra toerana ny tehina fotsy, antsoina amin’ny teny vahiny hoe “prolongement de la main”. Miainga amin’izany anarany izany, fitaovana misolo ny fanalavana ny tanana mitsapa matetika ny tehina fotsy. Ny olona jamba izay mampiasa ny tanana hitsapany ny manodidin azy amin’ny fotoana rehetra. Misy amin’ny endriny roa ihany koa ny tehina fotsy, raha ny fanazavana. Misy ny tehina fotsy azo haforitra mba hanamorana ny fampiasana sy ny fitondrana azy. Misy kosa anefa ny tehina fotsy lava tsy afaka miforitra, ilaina any amin’ny toerana sro-dalana, sady hitehenana sy hitsapana lalana. “Misy teknika mila fehezina ny fitondrana tehina fotsy”, hoy hatrany ny fanazavana. Rehefa izany dia misy ny fiofanana omena ireo olona manana olana ara-pahitana misafidy ny hampiasa tehina fotsy. Vita ao anatin’ny 3 volana eo amin’ny ankapobeny ny fifehezan’ny olona jamba iray ny teknika amin’ny fampiasana ny tehina fotsy. Isan’ny fehezina ao anatin’izany ny fampiasana azy eny an-dalambe, rehefa mandeha eny an’elakelan-trano, eny amin’ny sisin-dalana, hatreny an-tanimbary sy ny maro hafa. Nanamarika ihany koa ny tompon’andraikitra fa misy ny lalàna mifehy ny fampiasana tehina fotsy napetraka tamin’ny 10 desambra 1993. Lalàna mampahafantatra ny rehetra fa manan-jo hampiasa tehina fotsy ny jamba ary tokony hampiana sy hamorain’ny fiarahamonina ny fampiasana azy ireny. Isan’ny voakasika manokana ao anatin’izay ireo mpandrindra fifamoivoizana sy ireo mpampiasa ny arabe amin’ny ankapobeny.
Fampiroboroboana ny fampiatiana
Mandritra izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tehina fotsy izao indrindra no hanamafisan’ireo olona manana olana ara-pahitana ny feon’izy ireo mahakasika io fanamorana amin’ny fampiasana ny tehina fotsy io sy ny fampiatiana azy ireo amin’ny ankapobeny. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olona manana fahasembanana iray tafaresaka taminay dia isan’ny fanamby sy ambana hatrehin’izy ireo eny an-dalambe ny mbola mampitavozavoza izay fampiatiana izay. Eny amin’ireny birao marolafy fisitrahana tolotra ireny, ohatra, dia tsy ahitana ireo lalana misosa natokana ho an’ny olona manana fahasembanana sy fahasarotana amin’ny fifindrana fa avy hatrany dia tohatra. Misy ihany koa ireo tatatra tsy misarona eny an-dalana izay sarotra ho an’ireo tehina fotsy ny hahatsapa izany.
Manoloana izany, mangataka ny fanamafisana ny fampiatiana ho an’ny sokajin’olon-drehetra ireo olona jamba. Fampiatiana izay tokony hanao laharam-pahamehana ny fahafaha-misitraka maharitra sy ny fanajariana. Isan’ny asa tokony ho tanterahana ao anatin’izany, raha ny fanazavana, ny fametrahana fotodrafitrasa natao ho sitrahan’ny sokajin’olon-drehetra. Eo ihany koa ny fanaovana laharam-pahamehana ny fijerena ny sokajin’olona marefo sy manana fahasembanana ao anatin’ireny fandaharanasam-pamandrosoana ireny. Ary farany ny fampiatiana miainga avy amin’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona izay mitaky fanabeazana tsy an-kijanona.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.


