Fanadihadiana ManokanaSosialy

OLONA MITONDRA NY VIH/SIDA ETO MADAGASIKARA: Manodidina ny 1 amin’ny 3 ihany no nahavita fitiliana

Marihina isaky ny 01 desambra ny andro maneran-tany iadiana amin’ny Sida, fotoana hanaovana tombana ny zava-misy mahakasika io areti-mifindra io. Tamin’izany no nahafantarana fa mahatratra 75 000 ireo olona voan’ny Sida eto Madagasikara. Ny 22 000 amin’ireo ihany anefq no mbola fantatra hatreto. Izany hoe mbola ny 1/3 ihany no nahavita fitiliana. Hamafisina ny fanentanana.

Tsimokaretina mamotika ny hery fiarovana ao amin’ny vatan’ny olombelona ny VIH na ny “Virus Immunodéfience Humaine”. Ny SIDA na ny “Syndrome Immuno Déficience Acquise” kosa dia ilay aretina vokatry ny fidiran’ny tsimokaretina VIH tao amin’ny vatan’ilay olombelona. Ahitana ny tsimokaretina VIH ny any amin’ny ranonainan’ny lehilahy, any amin’ny tsiranoky ny vehivavy, any amin’ny rà, sy ny nonon-dreny. Noho izany dia mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro ny Sida. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana amin’ny rà misy VIH ihany koa. Fantoro koa anefa fa ny Reny mitondra vohoka ahitana tsimoaretina ka tsy mihinana fanafody dia mamindra amin’ny zanany ao am-bohoka.
Rehefa tafiditra ao amin’ny olona iray ny VIH/Sida dia mihombo izy. Mamotika tsikelikely ny sela fotsy na ilay sela miaro ny vatantsika. Eo amin’io fotoana io dia efa mety mamindra amin’ny hafa ilay marary. Tahaka ny olona voan’ny gripa ny fisehonan’ny Sida any am-boalohany. Rehefa ela ny ela dia miha reraka ny hery fiarovana ao amin’ilay olona. Manomboka eo no miha mahia izy, ary miseho ireo aretina mpanararaotra toy ny raboka sy ny maro hafa. Ireo rehetra ireo mitambatra, ka tsy voatsabo, no mitarika mankany amin’ny fahafatesana. Raha misy kosa ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana, mihinana fanafody tsy tapaka ilay olona ary afaka miaina an-kalalahana toy ny olon-drehetra ihany. Marihina fa amin’ny alalan’ny fihinanana ireo sokajim-panafody AVR na “AntiRétroViraux” no hanaovana ny fitsaboana ny aretina Sida. Maimaimpoana ny fitsaboana ary hita eny anivon’ny tobim-pahasalamana toy ny hopitaly sy CSB vitsivitsy manerana ny Nosy.
Olona hatramin’ny 75 000
Ny datin’ny 01 desambra moa no natokana ho fanamarihana ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina Sida. Raha ny tatitry ny ONUSIDA dia olona miisa 39,9 tapitrisa maneran-tany no miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH. Tsy mbola nisitraka fitsaboana anefa ny 9,3 tapitrisa amin’izy ireo. Olona 630 000 no maty vokatry ny aretina mifandraika amin’ny Sida tamin’ny taona 2023 farany teo, ary olona vaovao 1,3 tapitrisa no nitondra ny VIH. Na eo aza ireo antontanisa mavesatra ireo, mbola azo atao tsara ny manajanona ny fiparitahan’ny Sida hatramin’ny taona 2030, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Fepetra voalohany hahatrarana izay tanjona izay ny fanajana ny zon’olombelona. Raha ny zava-misy ankehitriny mantsy dia mbola olana ny fisitrahana fitsaboana. Any Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany, ohatra, dia tsy misy afa-tsy ny 35%-n’ny ireo ankizy latsaky ny 14 taona ihany no misitraka fitsaboana. Manatombo kokoa io antontanisa io any amin’ireo olon-dehibe. Matetika iharan’ny fanilikilihana ihany koa ny tanora rehefa manatona ireny toeram-pitsaboana ireny. Noho izay zava-misy izay no antony nampifandraisana ny zon’olombelona sy ny ady amin’ny aretina Sida ka lohahevitra noraisina tamin’ity taoana ity ny hoe “Andao omena lanja ny zon’olombelona”.
Antsiranana no nandray ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny Sida 2024. Nohazavain’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Pr Zely Arivelo Randriamanantany fa misy fomba ara-tsiantifika ankehitriny hahafahana maminavina ny antontanisan’ny olona izay mety ho voan’ny Sida anatin’ny firenena iray. Raha ny antontanisa farany avy amin’ny ONUSIDA, araka izany, dia manodidina ny 70 000 hatramin’ny 75 000 ny isan’ny olona voan’ny Sida eto Madagasikara. Ny 22 000 amin’ireo ihany anefa no fantatra fa mitondra ny VIH. Izany hoe mbola ny manodidina ny 1/3-n’ireo olona mitondra ny tsimokaretina ihany no nahavita ny fitiliana. Ambonin’izay, mbola misy olona maherin’ny 50 000 mitondra ny VIH mivezivezy eny amin’ny fiarahamonina.
Nanamafy fanentanana momba ny ady amin’ny Sida moa ny Minisitra tamin’io tany Antsiranana io. Tamin’izany no nanazavany fa antony mahatonga ny olona tsy harisika amin’ny fanaovana fitiliana ny fanilikilihana eny amin’ny fiarahamonina. Raha ny hevi-draikitra mipetraka mantsy dia sokajiana ho mpivaro-tena, lehilahy miaraka amin’ny lehilahy na koa ireo mpitsindrona zavamahadomelona ihany no tokony ho voan’ny Sida. Tafiditra ao anatin’ireo sokajy ireo ny rehetra izay mararin’ny Sida. Nanazava tamin’ny vahoaka ny Minisitra fa ny olon-drehetra dia mety ho voan’ny Sida, na hatramin’ireo izay tsy manao firaisana ara-nofo aza. Ny ratra eny amin’ireny mpanapa-bolon-dehilahy ireny mantsy dia mety hamindra ny tsimokaretina. Rehefa izany, hamafisina hatrany ny fanentanana amin’ny fampiasana fimailo sy ny fanaovana fitiliana. Anisan’ny paikadin’ny Fitondram-panjakana ny fanaovana laharam-pahamehana ny ady amin’ny aretina mifindra ka nampiakarina ny isan’ireo fitaovana fanaovana fitiliana VIH eto amintsika. Raha toa ka 800 000 isan-taona ny isan’ny fitiliana haparitaky ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka teo aloha dia nakarina ho 1 300 000 izany ankehitriny.

Fihetsika fisorohana 5…
Manana andraikitra amin’ny fisorohana ny Sida ny rehetra. Rehefa izany, fomba ahafahana misoroka ny fifindran’ny tsimokaretin’ny Sida ny tsy fidirana mihitsy amin’ny firaisana ara-nofo. Io ilay antsoina hoe “abstinence”. Ho an’ireo izay tsy mahafehy izany, indrindra ho an’ireo mpifankatia sy efa manam-bady dia takiana amin’izy ireo ny fanana fitondratena mendrika. Izany hoe mijanona amin’ny olotiana iray ihany, ary fadiana ny miaraka amin’ny olona maro. Ankoatra ny fitondratena, ampirisihina ho an’ny olon-droa miaraka ihany koa ny fiarovatena. Tiana ambara eto ny fampiasana fimailo. Nomarihin’ireo mpisehatra mahakasika ny ady amin’ny Sida fa maimaimpoana hatreto ny fisitrahana io fimailo io any amin’ny toerana maro manerana ny Nosy. Fomba hafa ahafahana misoroka ny tsimokaretina VIH/Sida ny fanaovana fitiliana. Amin’ny alalan’ny fitiliana ny rà irery ihany mantsy no ahafantarana fa mitondra ny tsimokaretina ny olona iray. Raha toa ka efa ao aminy ilay aretina, ahafahana mandray an-tanana mialoha ny fitsaboana ny fahafantarana izany, vokatr’io fanaovana fitiliana io. Farany kanefa tsy azo atao ambanin-javatra ny fampiroboroboana ny fanabeazana ara-pananahana. Tsara hatomboka dieny ny ankizy mbola any an-tsekoly ny fampiharana izany.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer