SamihafaSongadim-baovaoSosialy

OLONA VOALAZA FA NITSOAKA KERE: Nampanantenaina asa, ary notaterina am-pitaka nankao Fianarantsoa

Niparitaka indray ny sary naneho olona marobe, voalaza fa nitsoaka Kere avy any Atsimo, tany amin’ny tambazotra sosialy “Facebook”, omaly. Samy nanana ny fanehoan-keviny ny rehetra, ary mazava ho azy fa hararaotin’ny mpanohitra sy ny mpandrabiraby hanenjehana ny Fitondram-panjakana ity tranga ity. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana, fantatra fa notaterina am-pitaka nankao Fianarantsoa ireo olona ireo, rehefa nampanantenaina fa misy asa miandry aty Antananarivo, Mahajanga, ary Antsiranana.

Olona manodidina ny 300 no fantatra fa tonga tao amin’ny toby fiantsonana Ankazondrano Fianarantsoa, omaly. Araka ny fampitam-baovao, olona avy Amboasary, Ambovombe, ary toerana iray antsoina hoe Antanimora, any Atsimo, ireo hita tao an-toerana ireo. Ny loharanom-baovao mari-pototra no nahalalana fa misy karazany roa ireo olona tonga ao Fianaratsoa ireo.  Misy ireo tena nisafidy manokana ny hiakatra aty andrenivohitra mihitsy noho ny fahenoana fa hoe misy asa miandry aty. Tafiditra ao anatin’izany ireo izay nivaro-pananana. Nisy koa ireo izay efa nahaloa saran-dalana feno mahatonga any Mahajanga na Antsiranana mihitsy. Sokajy faharoa kosa ireo izay niantohana saran-dalana ary nentina fiara avy hatrany. Hatreto, tsy mbola voafaritra mazava hoe iza no tena tompon’antoka. Ny azo antoka dia endrika fanakorontanana indray ity tranga ity satria napetraka tao Fianarantsoa ireo olona, ary tsy hita ireo olona nampanantena asa sy efa nanao ny lamina hatrany amin’ny toerana niaingana. Izany hoe, tsy misy akory io asa nampanantenaina io. Isany manam-porofo ny filazana fa fanakorontanana ity tranga ity, dia fakana sary ireo olona, sy famoahana ary fanaparitahana izany tao amin’ny tambazotra sosialy “facebook”, ary nohizingizinina avy hatrany fa hoe « mampalahelo fa mitsoaka kere ». Ny anisany mampametra-panontaniana dia hoe, nandalo fotsiny teo Ihosy ireo vahoaka be ireo kanefa tsy nisy nanisy olana? Ary toa hoe betsaka no nalan’ny fiara tao Ihosy, fa nentina fiara hafa indray nankao Fianarantsoa?

Nandray andraikitra ny Fanjakana

Ho an’ny omaly, fantatra fa efa nisy tamin’ireo tonga tao Fianarantsoa no tafaporitsaka nandeha nanohy ny diany niakatra taty Antananarivo. Fiara Sprinter 12 kosa no voalaza fa nitondra olona 25 avy nitondra azy ireo tao an-toerana. Izany hoe, olona maherin’ny 300 eo ireo hita tao Fianarantsoa ireo. Efa nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana nataon’ny Minisitry ny Mponina, Bavy Michèle Angelica. Nisy ny fandraisana andraikitra avy hatrany, niarahana amin’ny Governoran’i Matsiatra Ambony.  Isan’izany ny fandraisana ireo olona ireo any amin’ny ivon-toerana iray ao amin’ny lalana mihazo ny Distrikan’I Lalangiana, izay toerana isany nanokana-monina ireo nararin’ny Covid-19 tamin’ny fotoan’androny.  Efa nomena sakafo sy bodofotsy ireo olona ireo, araka ny fantatra. Misy amin’izy ireo koa napetraka eny Ambalakely. Etsy ankilany, efa mandeha ny fanadihadiana atao amin’ireo fiara nitatitra olona avy any atsimo. Iza no nanao ny fifanarahana tamin’ireo koperativa na ny mpamily? Ny polisy sy ny zandary kosa no hisahana ny fanadihadiana.

Etsy ankilany, efa mandray andraikitra koa ny zandary any Androy, ary milaza ho entitra ny fanaraha-maso ny olona miainga avy any an-toerana ka hisy fisavana karam-panondro sy pasipaoro ary taratasy fifindra-monina avy amin’ny Fokontany na kaominina na distrika mihitsy aza. Tsy maintsy mahaloa saran-dalana handehanany ny mpandeha vao mahazo mandeha.  Ary tsy mahazo mandray na manary olona eny an-dalana. Tsy maintsy mameno “manifold” koa ary misy ny mombamomba feno ao, hatramin’ny laharana finday aza. “Misy barrage de contrôle ataon’ny FDS eto am-piaingana. Ary misy barrage koa ao Beraketa. Nomena toromarika ny mpamily mba tsy hisaraka rehefa mandeha eny an-dalana”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary.

Fermer