Songadim-baovao
Omby 500 voaroba tao Ivondro – Midongy Atsimo : Fokonolona 17 sy miaramila roa matin’ny dahalo, trano 300 tafo may
Nandravaravara ny dahalo tao amin’ny distrikan’i Midongy, ny maraimben’ny alahady 23 mey lasa teo. Omby 500 voaroba, tanàna telo indray nodoran’izy ireo. Fokonolona miisa 17 no indray lavo, niampy miaramila roa avy amin’ny 2RM/2 Manakara, enina naratra mafy. Mbola naka takalonaina koa izy ireo…

Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny fokontany Benonoka, Kaominina ambanivohitra Ivondro, Lavaraty taloha, ao anatin’ny distrikan’i Midongy, ny maraimben’ny alahady 23 mey lasa teo. Raha ny angom-baovao tany an-toerana, manodidina ny 150 ireo dahalo nanafika ny tanàna ireo, izay mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Norobain’izy ireo tamin’izany ny omby manodidina ny 500. Tsy vitan’izay fa mbola nandravarava ny tao an-tanàna koa ireo dahalo. Vokany, tanàna miisa telo no indray nodoran’ireo tsy mataho-tody, ka isan’izany ny tao Morafeno, Benonoka, ary Ampahatelo, izay tafiditra ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Lavaranty, anatin’ny distrikan’i Midongy Atsimo. Nahatratra 300 tafo ireo trano nodoran’ny dahalo. Nandritra ny fitsoahan’ireo dahalo, mbola naka takalonaina koa izy ireo, ka isan’ny lasan’izy ireo tamin’izany i Moha, Roana ary i Pelahafa niaraka tamin’ny zazakely iray. Raha ny angom-baovao farany, efa votsotra teo am-pelatanan’ny dahalo ireo takalonaina ireo. Nisy, araka izany, ny fanarahan-dia natao tamin’ireo dahalo nitondra ireo omby anjatony sy takalonaina ireo. Saingy nisy ny fifanjevoana ka nahafatesana mpanara-dia miisa 17 avy amin’ny fokonolona, raha enina no naratra, izay efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Isan’ireo mpanara-dia lavo ny miaramila avy amin’ny 2/RM2 avy ao Manakara.
Mitohy ny fanarahan-dia sy hazalambo…

Raha ny fanadihadiana, nihazo nianavaratra atsinanana ao amin’ny alabe Agnalambolo izay midadasika tokoa ireo dahalo. Fantatra fa ny tarik’i Kidisomotra, ry Resk, Kavisy, Remasombazaha ry Beba sy ry Talika ireto dahalo nandavarava ireto. Marihina fa vao nahare ny tranga ireo Tobin’ny Zandarimariam-pirenena tany an-toerana (Kaompania, borigady, Ny zana-tobim-paritra sy ireo « Détachement Autonome de Sécurité » na (DAS) » ary « Détachement Spécial de Sécurité (SS) » an’ny Tafika Malagasy, ny 23 mey tamin’ny 8 ora maraina, dia nametraka paikady haingana ahafaha-manao vonjy taitra. Nanampy tosika koa ireo Toby mifanefitra amin’ny distrika sy faritra rehetra (Ihorombe…). Nanampy avy hatrany koa ny Fitondram-panjakana ka nandefa fitaovana samihafa (Angidimby, fiara mifono vy, drones, …) sy mpitandro filaminana. Mitohy ny fanarahan-dia sy hazalambo ankehitriny ary nanambara fanamby ny Jeneraly Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, fa tsy maintsy hatao ny hamaizana mafy ireo dahalo. Tsy maintsy ho tafaverina amin’ny tompony ireo omby voaroba ary tsy maintsy hiverina hilamina iny faritra iny. Efa nandray fepetra avy hatrany ny avy ao amin’ny Zandarimaria, ny Kaompanian’i Vangaindrano, nandefa zandary miisa folo any amin’ny Kaominina ambanivohitra Lavaraty. Efa misy koa ny avy any amin’ny Tafika hanatevin-daharana, izay avy ao amin’ny DSS Befotaka sy Vondrozo. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity fanafihan-dahalo mahery vaika ity.




