
PolitikaSongadim-baovao
OMC : Mihemotra amin’ny 08 ora ka hatramin’ny 04 ora maraina ny “Couvre feu”
Nisy ny fivorian’ny fivondronan’ireo Mpitandro filaminana na ny OMC, androany antoandro, izay notarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Teboka vitsivitsy no fantatra tao anatin’izany. Voalohany ny fanemorana ny “Couvre feu” na tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ho amin’ny 08 ka hatramin’ny 04 ora maraina, raha tamin’ny 07 ka hatramin’ny 05 ora maraina izany teo aloha. Fanapahan-kevitra hita taorian’ny fahitana ny fivoaran’ny zava-misy, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Voaresaka tao anatin’izany koa ny mikasika ny hetsika niseho ny maraina teo, teny Ankatso, izay nambaran’izy ireo fa misy tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana no tratra nitondra fitaovam-piadiana. Manentana ny tsirairay ho tony sy tsy ho voataona amin’ny endrika fanakorontanana sy herisetra ny EMMO-NAT. Ankoatra izay dia misy ireo fepetra mbola mitoetra hatrany, toy ny fanohizana ny fanatevenana ny fepetra fampandriana fahalemana tanterahin’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS) mba hamerenana ny filaminana amin’ny laoniny. Manatanteraka hatrany ny asa fiarovana ny fiharian’ny olona, ireo fotodrafitrasa iankinan’ny toekarena sy ireo fotodrafitrasa ary ny fahafahan’ny olona miaina andavanandro hatrany koa, ny EMMO.
Ny Fanoratana.




