Songadim-baovaoSosialy

ONIVERSITEN’I TOAMASINA : Hametrahana Ivontoerana hampiroborobo ny teny sy Kolontsaina koreana

Taorian’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny Oniversiten’i Toamasina sy ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Korea tamin’ny volana febroary 2025, ny Masoivohon’i Korea eto Madagasikara, Ramatoa Park Jihyun dia nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Ny Profesora Diny Razanakolona, Filohan’ny Oniversite, sy ny mpiara-miasa aminy no nandray azy nandritra izany.

Nandritra izao fihaonana izao no nanamafisan’ny roa tonta ny fahavononan’izy ireo hametraka sy hampandeha ny « Institut King Sejong » ao amin’ny Faritry ny Oniversite. Tanjon’ity ivontoeram-piofanana ity ny hampiroborobo ny teny sy ny Kolontsaina koreana, ho tombontsoan’ireo mpianatra sy ireo vahoaka any an-toerana.
Ny fihaonana teo amin’ny roa tonta dia nahafahana ihany koa nijery ireo fiarahamiasa azo atao amin’ny hoavy, indrindra amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fiarahamiasa ara-kolontsaina. Nohamafisin-dRamatoa Masoivohon’i Korea koa ny ezaka tokony hatao mba hampiakarana ny tahan’ireo mpianatra malagasy misitraka vatsimpianarana mankany Korea. Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo efitrano fampianarana, mety hametrahana ilay « Institut King Sejong » ny fihaonana.

Tsara ny manamarika fa ao anatin’ny fampandehanana ny “Institut King Sejong” dia andraikitra sahanin’ny Oniversiten’i Toamasina ny manome toerana hanatanterahana ny hetsika rehetra sy toerana hiasan’ireo tompon’andraikitra, hitantana sy hikojakoja izany. Mbola manohana ny lafiny maha olona ihany koa ny Oniversite. Ary anjaran’izy ireo no mitantana ny tetibola fampihodinana ny “Institut King Sejong” ao anatin’ny mangarahara. Ankoatra ny lafiny manodidina ny tetibola, anisan’ny andraikitry ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Korea ao anatin’izao fiaraha-miasa izao kosa ny mitondra tohana ho an’ny ivontoerana. Tanterahana izany amin’ny alalan’ny fanomezana mpampianatra teny koreanina any an-toerana sy ny fampitaovana.

LR/ SS

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer