Songadim-baovaoSosialy
ONIVERSITEN’I TOAMASINA: Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ho an’ny daholobe an’ny SADC
Notanterahina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny 14 Aogositra 2025 teo ny famelabelaran-kevitra ho an’ny daholobe, izay tafiditra ao anatin’ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriambe faha-45 an’ny SADC eto amintsika, izay mitondra ny lohahevitra hoe “Fampandraisana anjara isam-paritra: fanoitra ho an’ny fanafainganana ny firosoan’ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny fomba fambolena”.
Nandray anjara feno tamin’izany ny Oniversiten’i Toamasina. Io fihaonana io moa dia fanararaotra lehibe ho fanamafisana ny fifandraisan’ireo rafitra aty amin’ny faritry ny SADC, eo koa ny fijerena ireo sehatra azo iarahamiasa amin’ny tontolon’ny oniversite, ary indrindra fanehoana indray ny fahavononan’ny oniversiten’i Toamasina hifandrimbona amin’ny fandraisana anjara ara-toekarena, ara-tsiasa, ary ara-kolontsaina eo anivon’ny SADC.
Ity famelabelaran-kevitra ho an’ny daholobe an’ny SADC ity koa moa dia fotoana nahafahana nanatsara ny fiarahamiasa aty anivon’ny faritra, ary nanamafy ny anjara andraikitr’i Madagasikara amin’ny fananganana tontolo akademika sy ara-toekarena mitondra fandrosoana lovainjafy.
Randriah.


