PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
ONIVERSITEN’I TOAMASINA : Voaporofo ny fitantanana gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna
Tsy vao sambany fa efa hatrany amin’ny taom-pianarana 2018-2019 no efa nahitana trangana fitantanana gaboraraka tao amin’ny Oniversiten’I Barikadimy Toamasina, raha ny fanazavan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa omaly. Mbola nitohy izany tamin’ny taom-pianarana 2019-2020, toy ny fanomezana vatsim-pianarana ireo mpianatra namerin-taona, ny tsy fitovian’ny isan’ny mpianatra voasoratra anarana sy ireo fantatra fa hisitraka ny vatsim-pianarana.
Ny didim-panjakana laharana 2002-565 no mamaritra ny fahaleovantena ara-pitantanana, ara-bola, ara-pedagojika ny oniversite tsirairay avy. Na izany aza anefa, manana adidy ny minisitera mpiahy hanatanteraka fitsirihana sy fanarahamaso, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa omaly, ny Profesora Randriamasitiana Gil Dany, omaly. Antony nanaovana fanadihadiana sy fanarahamaso ny tena zava-nisy marina mikasika ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana iray volana tao amin’ny Oniversiten’I Toamasina.
Araka izany, ho an’ny taom-pianarana 2019-2020, rehefa natao ny fitsirihana dia tsapa fa misy ny fihoaram-pefy, ary misy hosoka samihafa hita tao amin’ity anjerimanontolo ity. Voalohany amin’izany, ny mpianatra namerin-taona izay tsy tokony hisitraka vatsim-pianarana intsony, kanefa, nisitraka. Ary koa, ny isan’ny nahazo vatsim-pianarana, dia nihoatra lavitra noho ny isan’ny mpianatra voasoratra anarana ara-dalàna. Tetsy ankilany, nilaza koa ity tomponandraikitra ity fa fanahy iniana tsy naloa ny vatsim-pianarana 1 volana sy ny fampitaovana izay efa nalefan’ny Minisitera tamin’ny volana Jolay 2020. Efa nandoa an’io ny Oniversite hafa toa an’I Mahajanga sy Antsiranana tamin’ny volana janoary 2021.
Efa nisy ny fanapahan-kevitra tapaka
Mikasika ny fisoratana anarana sy ny vatsim-pianarana, efa tokony ho tapitra tamin’ny desambra 2020 io fisoratana anarana io, ary saika nahavita izany daholo ny lalam-piofanana rehetra. Tsy vita anefa ny tao Toamasina. Tetsy ankilany, ny 15 Febroary 2021, dia nanatontosa iraka manokana ny fiadidiana ny Repoblika, nandefa ny talen’ny kabinetra koa ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, ary mpikambana ny kabinetra iray. Novoriana tao daholo ny tomponandraikitra ara-bola, ny fikambanana rezionaly, sy ny sisa. Izany rehetra izany dia teo anatrehan’ny Filohan’ny Oniversite. Tapaka taorian’io fivoriana io fa ho avoaka ny 17 Febroary ny lisitry ny mpianatra misitraka ny vatsim-pianarana. Nivoaka nifanaraka tamin’izany ny tetiandro. 18 Febroary 2021 anefa vao navoaka ilay lisitra, izay daty nahafatesan’ny mpianatra iray. Efa vita tamin’ny 05 Febroary 2021 ny fivorian’ny “sous-commissions” rehetra manerana ny “établissement” mikasika ny vatsim-pianarana tao amin’ny oniversiten’I Toamasina. Afaka naloa andro vitsy monja taorian’io ny vatsim-pianarana araka izany, saingy tsy nalefan’ny oniversite. Ampahany ihany reo fa maro ireo porofo manamarina ny fisian’ny fitantanana gaboraraka tao amin’ity Oniversite ity, izay tsy misy fahadisoan’ny Minisitera mpiahy sy ny Fanjakana foibe velively.



