KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
ONJAMPEO FREE FM: Hanomboka rahampitso ny fandaharana “Vao Masil”
Na teo aza ny fiatoan’ny fandaharana maro isankarazany teo anivon’ny Onjampeo Free Fm, noho ny valanaretina Covid-19 sy ny fepetra fihibohana, niezaka nitondra fanatsarana sy zava-baovao hanomezana aina indray ny onjampeo ireo mpiasa sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Free FM. Araka izany, isany fandaharana vaovao ho azon’ny rehetra arahina ao amin’ny 104.2FM, isa-maraina manomboka amin’ny 06h30 ka hatramin’ny 08h30, ny fandaharana “Vao Masil”. Rahampitso no hanomboka ity fandaharana ity, araka ny fandaminana. Nanazava ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Onjampeo, fa midika hoe “vao maraina” io anarana fandaharana vaovao io. Aingam-panahy nalaina tamin’ilay teny vahiny milaza hoe : « l’avenir appartient à ceux qui se lèvent tôt ». Raha hatao dika teny malalaka dia hoe azo antoka ny ho avin’izay mifoha maraina. Ary ilaina tokoa ny mifoha vao maraina, mazoto vao maraina, mavitribitrika vao maraina, maharaka vaovao vao maraina, miala voly vao maraina. Tanjon’ity fandaharana ity, araka izany, ny mba hanakaiky kokoa ny mpihaino, hanome fanabeazana sy vaovao marina ho an’ny rehetra, hampiala voly ary serasera ara-barotra. Isany mampiavaka ity fandaharana ity amin’ireo fandaharana rehetra efa re teo anivon’ny Free Fm, ireo zana-pandaharana marobe mahaliana hifampizarana ao. Samy hahazo ny anjarany avokoa, noho izany, ny sokajin-taona rehetra, tsy misy ankanavaka.




