SamihafaSongadim-baovaoSosialy
« OPERATION COUP DE POING »: Natomboka ny hetsika fandraofana fako faobe

Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay dia tsy nisy tsy nikaikaika tamin’ny fifangongoan’ny fako, saika nanerana ny toerana rehetra teto andrenivohitra. Nahitana izany avokoa ny boriborintany enina, ka antony nahatonga ny tomponandraikitra namerina indray ny “Opération coup de poing”. Hetsika izay hiarahan’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana, Fidiovana miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny Samva, ary ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Toeram-ponenana. Ny alatsinainy teo no natomboka ity hetsika ity, ka ny fako teny Namontana, Anosibe sy Ampasampito no nanombohana izany.Hitohy isanandro isaky ny amin’ny 8ora alina io hetsika io. Fitaovana lehibe fandraofana fako no ampiasaina, miaraka amin’ireo fiarabe maro. Mazava ny tanjona dia ny mba hamerenana indray an’Antananarivo ho madio. Nanamafy, araka izany, ireo tomponandraikitra fa tsy hijanona ity hetsika ity raha tsy voaroaka avokoa ny fako.
Nosoloina ny tale jeneralin’ny Samva
Fantatra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireto delegasiona ireto koa, fa antony tena nanoloana ny Tale jeneralin’ny Samva teo aloha ny tsy fahafehezana ny asany. Anisany nanamafy izany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, izay nilaza fa “fitaovana misy ao amin’ny Kaominina izao no entina hanampiana ny Samva”. Na izany aza, efa eo am-pijerena vahaolana haingana ho fanamboarana ireo fiarabe mpitatitra fako simba ny tomponandraikitra. Tsara marihana fa ny vanim-potana toy izao indrindra no mampitombo be ny fako. Fantatra tokoa mantsy fa 1 000 taonina isan’andro ny fako vokarin’Antananarivo, amin’ny andavanandro. Rehefa fotoam-pahavaratra, amin’ny fotoana hiakaran’ny letisia sy ny manga, miakatra hatrany amin’ny 1300 taonina isan’andro io fako io, araka ny fanazavan’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana, Fidiovana, Randriatsiferana Simon. Fantatra fa raha mandeha tsara daholo ny fitaovana eo am-pelatanan’ny Samva, dia mahatafavoaka fako eo amin’ny 300 hatramin’ny 400 taonina eo ireo fiara mpitatitra. Izany hoe, tsy maintsy misy fako miandrona manodidina ny 700 taonina isan’andro eo eo izany erak’Antananarivo. Midika izany, fa raha misy olana kely fotsiny ny Samva dia efa misy fiantraikany amin’ny fakana ny fako eny ifotony, ka ilàna fandaminana.



