Songadim-baovaoSosialy
ORAMBE MIKIJA TAO AMBOHIJANAKA… : Vaky ny dobon-dranon’i Sandandrano, ankizy roa namoy ny ainy
Taorian’ny orambe nikija ny sabotsy lasa teo, nanomboka tamin’ny 6 ora hariva, dia vaky ny dobon-dranon’i Sandandrano ka namafy ny fefiloha tandrify ny « stationnement » ao Mahaimandry, ao anatin’ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Ankizy mianadahy no namoy ny ainy nofaohin’ny rano vaky raha avotra soa aman-tsara kosa, ny rainy izay miaramila…
Vokatry ny orambe nikija nanomboka tamin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina, ny sabotsy lasa teo, vaky ny dobon-dranon’ny orinasa Sandandrano, ka namaky ny fefiloha tandrify ny « stationnement » ao Mahaimandry, ao anatin’ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. 30.000m3 ny rano nanapoaka io fefiloha fitahirizan-drano ny orinasa Sandandrano, ao anatin’ny kaominina Ambohijanaka io, izay any amin’ny tampon-tendrombohitra avo dia avo any. Miaramila iray niaraka tamin’ny zanany mianadahy andeha hody any Tsaralamaka no indray nofaohin’ilay rano vaky, nandritra ny fahavakisan’ny fefiloha io. Ilay raim-pianakaviana avotra soa aman-tsara, satria tany amin’ny 500 metatra vao naharo tena, raha toa ka tany amin’ny 1,5 km vao hita ny nofo mangatsiakan’ny zanany lahikely, raha toa hita teo amin’ny manodidina teo ilay zanany vavikely. Tiana ny manamarika, fa efa tamin’ny amin’ny misasakalina tany vao hita ny nofo mangatsiakan’ilay lahikely namoy ny ainy io.
Natsahatra ny fivezivezen’ny fiara…
Niteraka tondra-drano taty amin’ny faritra ambany io toe-javatra io, ka maro ny zavatra simba, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo lalana vita amin’ny rarivato, izay maro no simba. Feno rano ny arabe, hatreny amin’ny halohalika ny rano. Tafiditra anatin’ireo trano ambany ny rano. Vokatr’izany, dia natsahatra ny fivezivezen’ny fiara. Nentanina ireo mponina amin’ny toerana iva, mba hifindra. Niomana handray ireo olona voatery tsy maintsy hiala ny tranony ny Fiadidiana ny kaominina. Isan’ireo nidina teny an-toerana ny Solombavambahoaka Andry Ratsivahiny, izay voafidy tao anatin’ny distrikan’Atsimondrano, ny sefo distrikan’Atsimondrano, ny ben’ny Tanànan’Ambohijanaka sy ny eo anivon’ny Kaominina niaraka tamin’ireo tomponandraikitra eny ifotony. Ho an’ireo mianadahy namoy ny ainy tamin’ity fefiloha vaky ity, dia hiala ao Ambohijanaka ny razana anio, ary hoentina any Vohipeno.
Pierre M.




