
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
ORANGE KILONGA MKANETY BE U17: Fanatanjahantena ho an’ny tanora manerana an’i Madagasikara
Ao anatin’ny ezaka ataony hanohanana ny fanatanjahantena sy ny tanora, dia manohy ny fanentanana “Max ta passion” ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny hetsika goavana antsoina hoe “Orange Kilonga Mkanety Be U17”, izay hotanterahina ny 30–31 Oktobra ary 1 Novambra 2025 any Antsirabe manoloana ny Gara.
Raha ny tantaran’ny hetsika no tsiahivina, ny “Kilonga Mkanety Be” dia hetsika ara-panatanjahantena nateraky ny fitiavana ny lalao nentim-paharazana sy ny firoboroboan’ny pétanque eto Madagasikara, indrindra ho an’ ny tanora. Niorina ho sehatra fampisehoana ny fahaiza-manaon’ny ankizy sy ny fifaninanana am-pirahalahiana, dia lasa fanao isan-taona fanentanana ireo tanora avy amin’ny faritra samihafa.
Tamin’ny voalohany dia natsangana ho fifaninanana eo an-toerana fotsiny izy io, saingy noho ny fahombiazan’ny andiany voalohany dia lasa fifaninanana nasionaly mitondra ny fanohanana ofisialin’ny Orange Madagascar, izay mikendry ny hampiroborobo ny fanatanjahantena sy ny firaisankina amin’ny alalan’ny lalao.
Ny tanjona amin’ity hetsika ity dia fampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny tanora eo amin’ny fanatanjahantena, Hampianatra fifanajana sy fiaraha-miasa ary fikarohana talenta vaovao eo amin’ny sehatry ny pétanque sy fanatanjahantena an-kalamanjana.
Ny fandraisana anjara dia misokatra ho an’ny tanora latsaky ny 17 taona (U17), avy amin’ireo faritra manerana an’i Madagasikara toy ny Toliara, Fianarantsoa, Majunga, Vakinankaratra, Ihosy, Itasy, Betafo, Toamasina ary Antananarivo.
Antsirabe no foiben’ny hetsika amin’ity taona ity. Araka ny fanazavana, tsy kisendrasendra ny nifidianana an’Antsirabe ho toerana hanatanterahana ny fifaninanana amin’ity taona 2025 ity. Izy no iray amin’ireo tanàna manankarena lova ara-panatanjahantena sy kolontsaina, ary toerana manentana ny tanora amin’ny firotsahana amin’ny hetsika ara-pahasalamana sy ara-panahy.
Ankoatra ny Orange Madagascar, dia manohana ny hetsika ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka toa an’i Max it, Kefir, ary Homeopharma, izay samy manana ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto an-toerana.
Ny “Orange Kilonga Mkanety Be U17” dia tsy lalao tsotra fotsiny, fa sehatra iray mampiray ny tanora manerana an’i Madagasikara eo ambany fanevan’ny firaisankina, ny fanatanjahantena ary ny fitiavana ny fanamby. Izy io dia porofo fa rehefa manohana ny tanora isika, dia manangana ny hoavin’ny firenena ihany koa, araka ny fanampim-panazavana hatrany.
Njaratiana




