Songadim-baovaoToekarena

ORINASA BASE TOLIARA “Manaraka ny fenitra Arolozan’ny fahasalamana sy tontolo iainana”

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenen’ny arolozan’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny orinasa Base Toliara, hoy ny namafisin’i Valiarimanana Jean Pascal, manam-pahaizana momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ity farany, izay efa nisehatra an-taona maro tao amin’io orinasa io, izay nilazalaza ny maha ara-dalàna ireo endrika roa maha orinasam-pitrandrahana azy ireo…

Ny fitrandrahana ao amin’ny Base Toliara
Tsy mbola nahitana olana ara-pahasalamana ny andrana fitrandrahana natao tao amin’ny ozinina taratra Base Toliara, ary nahomby ny fanarenana ara-tontolo iainana tao aminy hatramin’izao, hoy ny manam-pahaizana momba ny harena an-kibon’ny tany, Valiarimanana Jean Pascal. Efa nisehatra nandritra ny 20 taona teo amin’ity orinasa ity ny tenany, nanomboka ny taona 2003, fony “Toliara sands”, amin’ny maha mpahay haibolan-tany azy. Nohamafisiny araka izany, fa efa nahomby hatramin’ny taona 2006 io andrana ara-pitrandrahana tao amin’ny ozinina taratra io. Teo amin’ny asa fandavahana sy fanadihadiana mikasika ny toe-tany hotrandrahana, ary ny fijerena ny tahan’ny fasi-mainty no nosahanin’izy ireo tamin’izany, izay nangalana santionam-pasika hatao fitiliana anaty laboratoara, mba hoenti-mamantatra ny toerana hotrandrahina. Miisa 70 olona no mpiasa tao tamin’izany, raha ny fantatra, ary mahatratra 500 taonina ny akora fasi-mainty tafavoaka tamin’izany. Niandraiketana manokana ny fanatanterahan’asa momba ny aroloza ara-pahasalamana, fa indrindra koa ny fanatanterahana ny bokin’andraikitry ny orinasa mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny toerana nanaovana ny fitrandrahana andrana tamin’ny ozinina taratra.

Tsy ahina hisy voka-dratsy ara-pahasalamana ny fitrandrahana fasi-mainty ao amin’ny Base Toliara. (Sary indrana)
Nasiany teny manokana ny mikasika ny « radiation » tao amin’io ozinina taratra io, izay voalaza fa mpiasa voaofana manokana no nisehatra tao, narahina fampitaovana manokana toy ny fitaovana nenti-mamantatra ny fotoana voafetra hiasan’ny tsirairay, amin’ny maha fitrandrahana fasi-mainty azy. Aorian’ny asa dia tsy maintsy mandalo fizaham-pahasalamana (visite médicale du sortie) avokoa ireo mpiasa, ka mpanara-maso avy amina orinasa ara-pahasalamana manan’ny maha izy azy iraisam-pirenena no misehatra amin’izany, izay efa ananan’ny Orinasa hatramin’izay ka hatramin’izao. Nomarihan’ity manam-pahaizana momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ity, fa milina iray mampikoriana ny fampandrosoana ny fitrandrahana io. Toy ny orinasa QMM ao Tolagnaro izao, izay iaraha-mahalala ankehitriny fa efa toerana mandroso ny ao an-toerana, anisan’izany ny fahaleovan-tenany ara-angovo, ny fahavitan’ireo lalana rehetra ao an-tampon-tanàna, ary ny fisian’ny seranan-tsambo mampaleo tena ara-toekarena an’i Tolagnaro. Araka izany, raha hiresaka ny ara-toekaren’ny Faritra Atsimo Andrefana, dia fotoam-pisokafan’ny Base Toliara izao, hoy ity farany. Antony dia efa ara-dalàna eo amin’ny fenitra takian’ny iraisam-pirenena amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny arolozan’ny fahasalamana, ary ny fitantanana orinasa ny “Base”. Andriamatoa Valiarimanana Jean Pascal, izay miasa ao amin’ny toeram-pitrandrahana fasi-mainty any Mozambika amin’izao fotoana izao, ary manam-pahaizana momba ny harena an-kibon’ny tany sy manana diplaoma momba ny haibolan-tany sy ny harena an-kibon’ny tany tao amin’ny Oniversiten’ny Politeknika Vontovorona, ary ny « MBA » avy amin’ny oniversite Amerikana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer