Songadim-baovaoToekarena

ORINASA JIRAMA: Efa mandeha ny famahana olana ataon’ny Fanjakana

Raha misy sehatra ahitana fitarainana sy fimenomenonana be indrindra ankehitriny dia famatsiana herinaratra avy amin’ny Orinasa Jirama. Tsy misy tsy mikaikaika ny mpanjifa amin’ny fahatahanjiro isan’andro, efa am-bolana maro izay. Niaiky ny fisian’ny olana ny Filohan’ny Repoblika, raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika izany, ny alahady teo. Fotoana izay nitanisany ihany koa ireo vahaolana rehetra efa entin’ny Fanjakana mifandraika amin’izany.

Mitentina 1 400 miliara ariary ny tohana ara-bola omen’ny Fanjakana foibe ny orinasa Jirama ankehitriny, araka ny fampahafantarana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny alahady teo. Goavana izany famoaham-bola izany, hoy ny Filoha, satria mitovy amin’ny tetibolan’ny Minisitera iray manontolo mihitsy, izay manodidina ny 1 500 ariary eo ho eo. Araka ny tarehimarika anefa, dia 23%-n’ny Malagasy monja no misitraka ny herinaratra avy amin’ny Jirama. Niaiky, araka izany, ny Filoha fa lasa vato misakana tsy hahafahana manatanteraka asa fampandrosoana ny tohana ara-bola izay mihoa-pampana lasa ao amin’ny Jirama fotsiny. “Tsy maintsy mijery vahaolana maharitra anefa isika”, hoy ny Filoha. Notsindriany, araka izany, fa ny famokarana jiro amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina ihany no vahaolana ho an’i Madagasikara, na izany azo avy amin’ny masoandro, na rano. Isan’ireo tetikasa goavana efa andalam-panatanterahana izao ankehitriny ny “SAHOFIKA” izay hanana tanjaka 192 MW ka hihitatra hatramin’ny 300 MW. Any amin’ny Faritra Vakinankaratra no misy azy ary fiaraha-miombona antoky ny Ministera misahana ny Angovo sy ny Orinasa Jirama ary ny Orinasa NEHO ho hanatanterahana izany. Olona hatrany amin’ny 8 tapitrisa no hisitraka ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano ity, izany hoe tokatrano miisa 1.6 tapitrisa eo ho eo. Afaka dimy taona any no vinan’asa hanatanterahana izany. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny Tetikasa VOLOBE. Ity tetikasa ity izay hamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano ary hamokatra hatramin’ny 750 GWh isan-taona ary hanana tanjaka 120MW. Vahoaka malagasy maherin’ny 2 tapitrisa no tombanana hisitraka ity tetikasa ity ao amin’ny Faritra Atsinanana.

“Parc solaire” hatramin’ny faran’ny taona

Raha atambatra izany ny famokarana herinaratra eto Madagasikara rehefa vita avokoa ireo tetikasa vaovao ireo, miampy ny efa azo ankehitriny, dia tafakatra 442 MW. Tsy afaka hiandry ireo tetikasa lavitr’ezaka afaka dimy taona ireo anefa ny zava-misy, ka distrika ampolony maro eto amin’ny firenena no hisitraka “Parc solaire – 50MW” hatramin’ny faran’ity taona ity. Nomen’ny Filoha toromarika manokana ihany koa ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ny amin’ny hitadiavana vahaolana ny delestazy ato anatin’ny telo herinandro.

Vahaolana naroson’ny Filoha ihany koa, ny fividianana Vondrona mpihary herinaratra vaovao ho an’ny Jirama izay mitentina 29 tapitrisa dolara, izay hampihena ny fatiantoka ara-toekarena sy ara-teknika, araka ny fanazavana. Nambaran’ny Filoha fa mbola manofa Vondrona mpihary herinaratra hatramin’ny 40 tapitrisa dolara isan-taona ny jirama amin’izao fotoana, ka antony mahatonga ny fatiantoky ny orinasa.

Fermer