PolitikaSongadim-baovao
OZININA MPAMOKATRA SIRAMAMY, TRANO MORA, …: Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana
Nanao tohivakana ny fitokanana fotodrafitrasa sy zava-bita tao Mahajanga, nandritra ny telo andro, nanaovan’ny Filohan’ny Repoblika fitsidihana tany an-toerana. Ambentin-tenin’ny Filoha ny hoe “miasa isika… tsy hisy intsony distrika hadino ary tsy maintsy tafita i Madagasikara”. Ny faran’ny herinandro teo fotsiny, dia notokanana ny ozinina mpamokatra siramamy aman-taoniny isan’andro, teo koa ny fitokanana ireo “Trano Mora”. “Manahirana ny sasany isika satria miasa”, hoy ny Filoha.
Na dia eo aza ireo sakantsakana maro samihafa izay mety hanohintohina ny fizotry ny asan’ny Fitondram-panjakana, dia mitohy hatrany ny asa ho azy ireo. Isan’ny efa voatonona ombieny ombieny ohatra ny olana ateraky ny ady eo amin’i Okraina sy Rosia. Teo koa ny valanaretina Covid-19 izay nampitarazoka asa maro, ary mbola mitohy iainantsika mandrak’ankehitriny. Fa ankoatra ireo, ny fandrabirabian’ny avy amin’ny fanoherana koa dia tsy mitsahatra isan’andro. Ireto farany izay manararaotra ny fahasahiranam-bahoaka aterak’ireo voina maneran-tany ireo, ary miezaka misarika ny sain’ny mpanara-baovao tsy hijery intsony izay asa ataon’ny Fanjakana, fa ny mifanohitra amin’izay no ezahana aely.
Na dia eo aza anefa ireo rehetra ireo, mitohy miasa ny Filoha sy ireo ekipa tarihiny eo anivon’ny Governemanta. Manaporofo izany ireo fotodrafitrasa maro notokanana tao Mahajanga, nandritra ny faran’ny herinandro rehetra teo. Isan’izany ohatra fitokanana ny Orinasa mpamokatra siramamy ao amin’ny Kaominina Antanamifafy. Raha ny fanazavana dia afaka manodina fary hatramin’ny 3 taonina isan’ora ity orinasa ity ary tantsaha mpamboly fary manodidina ny 1000 no hahazo tombony mivantana amin’izany. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa ny fampiroboroboana ny indostria no fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Noho izany indrindra no nametrahan’ny Fitondram-panjakana ny tetikasa One District One Factory na ODOF izay mikendry ny hamokarana eto an-toerana izay rehetra ilain’ny vahoaka Malagasy no sady mandray anjara amin’ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny famoronana asa.
Ny fametrahana ity orinasa eto Antanamifafy ity dia vokatry ny fiarahamiasa teo amin’ny Fitondram-panjakana niombon’antoka tamin’ny Délégation de l’Union européenne à Madagascar et en Union des Comores sy ny ONUDI Madagascar. Hahaleo tena amin’ny famokarana siramamy araka izany i Mahajanga sy ny manodidina ary hanjifa izany amin’ny vidin’ny mirary ihany koa ny vahoaka
Trano mora
Namaranan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny diany tao amin’ny Faritra Boeny ny fitokanana ny andiany voalohany amin’ireo trano mora « cité Meva » tao Amborovy Mahajanga. Miisa 30 ireo trano mora andiany voalohany ireo. Ny iray dia natolotry ny Filoham-pirenena ho an’ilay mpanakanto Olginah ary ny 29 hafa kosa natao fisarihana ampahibemaso sy tao anatin’ny mangarahara.
Ny fananganana ity « cité Meva » ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha-11 nataon’ny Filoha, dia “Madagasikara lasa maoderina amin’ny alalan’ny fanamboarana trano fonenana sahaza ny rehetra”. Ankoatra ireo trano mora ireo dia hapetraka ao Mahajanga ihany koa ny tanàna vaovao amin’ny velaran-tany 300Ha, hoy ny Filoha.
Tsiahivina fa anisan’ny notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ity diany tao Mahajanga ity ihany koa, ny Biraom-paritry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy, ary Fampivoarana ny Vehivavy, ny “Hôtel des finances”, ny trano fatorian’ny mpianatry ny Oniversite, ny biraom-paritry ny BNGRC, ny lisea manarapenitra. Ankoatra ireo, natao tao Mahajanga koa ny fizarana Kara-tany faobe.
Ny Fanoratana.



