PolitikaSongadim-baovao
PAIKADIM-PIRENENA IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY 2025-2030: Hanafoana ny tsimatimanota no tanjona stratejika voalohany
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly hampiharina eto Madagasikara manomboka amin’ity 2025 ity ka hatramin’ny 2030. Isan’ny misongadina amin’ity paikadim-pirenena vaovao ity ny tanjona stratejika voalohany izay miompana amin’ny fanafoanana ny tsy matimanota. Asa sy hetsika maro no efa voafaritra ao anatin’ny paikady mba hanatrarana izany tanjona izany.
“Amin’ny taona 2030 i Madagasikara dia ho nosy hanjakan’ny fahitsiana, ka tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana lovainjafy intsony ny tambajotran’ny kolikoly sy ny tsy matimanota”, io no vina ankapoben’ny Paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly ho an’ny taona 2025 hatramin’ny 2030. Ity farany izay mifototra amina tanjona stratejika telo lehibe, ka voalohany indrindra amin’izany ny fanafoanana ny tsy matimanota. Vokatra andrasana ao anatin’izany dia ny fanomezana sazy henjana ireo mpanao kolikoly sy ny heloka mitovy aminy ary ireo mpanao valibotana. Eo koa ny famantarana ireo harena azo amin’ny tsy ara-dalàna ary giazana amin’ny fomba mahomby. Ary ny fanesorana ireo sakana manome vahana ny tsy matimanota amin’ny raharaha kolikoly.
Tanjona stratejika faharoa ny fampirisihana ny fomba fiasa mampandray andraikitra ny rehetra, ny fandrindrana ny fiarahamiasa ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Tanjona stratejika fahatelo kosa ny fampiroboroboana ny kolontsaina mifototra amin’ny fahitsiana ifampizaran’ny rehetra. Tsara ho fantatra fa ireo tanjona ireo dia samy misy vokatra andrasana sy drafitra fanatanterahana efa voafaritra mazava tsara ao amin’ny Paikadim-pirenena vaovao.
Voka-dratsy maro
Nandritra ny fanolorana ny paikadim-pirenena vaovao omaly tetsy Alarobia, izay teo ambany fiahian’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, dia samy niaiky ny maha zava-dehibe ny ady amin’ny kolikoly ny rehetra. Nambaran’ny Filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana, Sahondra Rabenarivo, fa mampihena ny fitokisan’ny vahoaka ny Fanjakana ny kolikoly. Ankoatra izay, manakana ny herijikan’ny mpandraharaha, mampiakatra ny elanelana misy eo amin’ny mpanakarena sy ny mahantra, manamafy ny tambajotran’ireo mpanao trafika, mandrava ny vinavinam-piainan’ny tanora. Notsindriany araka izany fa raha napetraka ity paikady ity dia ny rehetra no tokony hiara-hanatanteraka azy.
Tao anatin’ny lahateniny omaly koa moa no nisaoran-dRamatoa Sahondra Rabenarivo ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina noho ny finiavana ananan’ity farany hiady marina amin’ny kolikoly tamin’ny fanohanany ireo hetsika atao rehetra mifandraika amin’izany, toy ny fametrahana ny Sampandraharaha misahana ny fanagiazana ireo harena azo tsy ara-dalàna (ARAI), ny fametrahana ny Tale Jeneralin’ny Bianco, ny fametrahana ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly ao Mahajanga sy Fianarantsoa, ny fampandraisana anjara an’i Madagasikara amin’ireo fikaonandoha iraisampirenena momba ny ady amin’ny kolikoly, ary ny famolavolana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly.
Hamafisina ny ady
Ny Praiminisitra kosa tao anatin’ny lahateniny dia nanipika fa olana saro-bahana ny kolikoly, kanefa tsy maintsy iadivana. Hita taratra nandritra ny fepotoam-piasana voalohany, hoy izy, ny tsy fahazotoan’ny olona zatra gaboraraka amin’ny fanovana izay nentina. Ohatra noraisiny moa ny fidirana amin’ny fampiasana haitao ara-kajimirindra tamin’ny fitantanana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Hita tsy tsapa anefa fa vola amina miliara maro no very nandritra ny taona maro noho ny gaboraraka, ka tsy maintsy nandraisana fepetra. Hitohy izany fanamby izany ho an’ny Fitondram-panjakana.


