PolitikaSongadim-baovao
PAIKADIM-PIRENENA VAOVAO IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY: Hampahafantarina ofisialy amin’ny fiandohan’ny taona 2025
Miroso amin’ny atrikasa nasionaly izay hankatoavana ny Paikadim-pirenena vaovao Iadiana amin’ny Kolikoly ny Komity mpitarika ny famolavolana izany izay tarihin-dRamatoa Filohan’ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI) ary ahitana ny solotenan’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny Fiadiadian’ny Primatiora, ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ary ireo tompon’andraikitra voalohan’ ny Bianco, ny Samifin, ny Pac ary ny Arai. “Tsy mbola nisy famolavolana paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly nandraisan’ny mpisehatra anjara betsaka toy izao teto amin’ny firenena”, hoy Sahondra Rabenarivo, Filohan’ny Komity mpitarika. Nambarany fa izao fampandraisana anjara ny rehetra izao dia natao voalohany indrindra mba ahafahana mitondra fanatsarana, fa ihany koa nentina nanakaiky kokoa ny zava-misy iainana, mba hahafeno ireo fepetra ahafahan’ireo mpisehatra rehetra handray anjara amin’ny ady amin’ny Kolikoly eto Madagasikara. Raha atambatra dia maherin’ny arivo ireo nandray anjara tamin’izany famolavolana izany, mpisehatra 365 eo no niatrika ny atrikasa isam-paritra nokarakaraina tany amin’ireo faritany enina (06) teo aloha ary 575 hafa kosa nandray anjara tamin’ny atrikasa isan-dohahevitra nahafahana nandrafitra tolo-kevitra sy namaritana ireo laharam-pahamehana.
Ankehitriny dia miroso amin’ny fankatoavana ny tolo-kevitra sy ny hevi-baovao nivoitra izay handrafitra ny paikady vaovao ireo nandray anjara tamin’ireo dingana rehetra ireo. Aoriana an’izay vao miroso dingan’ny fanoratana sy fandrefetana farany ny paikady vaovao, miaraka amin’ny drafitra fampiharana sy ny drafitra fanatanterahana tombana sy jery todika ny Komity miandraikitra izany. Noho ity dingana ity izay mitaky fotoana sy ho fiatrehana ny fifidianana kaominaly ny volana desambra 2024 dia afindra amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ho avy izao ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ity paikadim-pirenena vaovao Iadiana amin’ny Kolikoly ity.
Nangonin’i LR.



