PolitikaSongadim-baovao
PAIKADIN’NY MPANOHITRA: “Tsy mampihemotra ahy ny fanenjehana”, hoy i Lalatiana Andriatongarivo
Vantany vao misy iraka iarahan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, sy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, dia manao sesilany ny fanenjehana sy ny fanaratsiana mahakasika ity Minisitra ity, araka ny nambarany omaly. Tanjon’ny mpanohitra, hoy izy, ny ampiadiana azy sy ny Filoha. Tsy mampihemotra azy anefa izany, raha ny nambarany, ary tsy hampiova ny fifandraisana misy eo aminy sy ny Filohan’ny Repoblika.
« Misy mikajikajy anaovana izay fomba rehetra ampiadiana ny Filohan’ny Repoblika sy ny tenako”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly tao amin’ny fandaharana Tsy ho tompontrano mihono. Misy mihitsy mivoy fa ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo no 2ème Dame. Tanjon’ny mpanohitra ao anatin’izany, hoy izy, ny hahatofoka ny Filoham-pirenena ka hanaisotra ny Minisitra Lalatiana, na koa kiviana Ramatoa Minisitra amin’izay hametra-pialana. Tsy nahomby anefa io paikady io nandritra izay efatra taona izay, araka ny nambarany. “Vao misy ny iraka ataoko miaraka amin’ny Filohan’ny Repoblika dia tonga daholo ireo fanenjehana mavaivay. Izaho manokana dia resy lahatra amin’ny Filohan’ny Repoblika, ka tsy karazan-javatra toy ireny no hampihemotra ahy. Ka na inona na inona atao hanenjehana dia efa « Conviction » ny ahy ka tsy mihemotra mihitsy” hoy ihany Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.
Nitondrany valin-kafatra ihany koa ireo milaza fa avy amin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo daholo ny fanenjehana mpanohitra rehetra miseho ankehitriny. Notsiahiviny tamin’izany ny tamin’ny raharaham-pitsarana naha voasaringotra an’i Arphine Helisoa, izay mpanao gazety miara-dalana amin’ny fanoherana. Nambarany fa mbola ny tenany no nilaza tamin’ny Minisitry ny Fitsarana tamin’izany fa tsy dia mety loatra ilay famonjana an’io mpanao seraseran’ny TIM io.
Fanenjehana tsy mitombina
Ny 99,9%-n’ny fanenjehana an’i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo dia fankahalana sy lainga fotsiny tsotra izao satria noho izy tena mpiaro ny Fitondrana, ka tadiavina ahilika aminy daholo, amin’ny kajy efa lany daty, izay tranga maha be resaka eto amin’ny Firenena, araka ny fanazavany. Raha tena te hatanjaka ny mpanohitra, hoy Ramatoa Minisitra, dia tokony hanova stratejia, satria efa ho 4 taona no tsy nahomby. Notsindriany, araka izany, fa mbola mijoro sy manohana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina foana hatramin’ny farany ny tenany sy ny Antokony Freedom.
Tokony ho dieny izao ny mpanohitra dia hanova paikady na stratejia, raha sahy hiatrika fifidianana na manana olona atolotra, fa tsy mijanona amin’izao paikady efa hita fa tsy nahitam-bokany izao, hoy izy. Ny fanehoan-kevitra entina, hoy izy, dia tokony hitombina sy azo raisina.
Ny Fanoratana.



