Songadim-baovaoSosialy
PANTEKOSTA HIEREN-DOZA: Hihamafy ny fisavana eo amin’ny lafiny fitaterana manerana ny Nosy
Mitombo kokoa ny fifamoivoizana eny an-dalambe rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fety toy izao. Tanjona apetrak’ireo rehetra mpisehatra amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana, araka izany, ny hanatanterana fety ieren-doza lavitry ny famoizana aina. Ho fanatanterahana izany dia hihamafy ny fisavana ireo fiara sy kodiarandroa rehetra manerana ny Nosy amin’ity faran’ny herinandro ity.
Miovaova isan-taona ary faritana eo anelanelan’ny 10 mey hatramin’ny 13 jona ny fankalazana ny andron’ny pantekosta, raha ny kajikajy ao anatin’ny fandaharam-poatoana litorjikan’ny fiangonana katôlika. Amin’ity taona 2024 ity, rahampitso 19 mey no voatondro hankalazana io andro io.
Raha ny voalaza ao amin’ny Baiboly, fotoana nandrotsahan’Andriamanitra ny Fanahy masina tamin’ireo mpianatr’i Jesoa 12 lahy ny Pantekosta. Rehefa izany, mangataka amin’Andriamanitra mba ho isan’ireo voafidy hisitraka izany herin’ny Fanahy masina izany ihany koa ireo mpino kristianina amin’io fotoana io. Ny Fanahy masina izay isan’ireo singa ihorenan’ny fiangonana araka ny finoana ny “Ray, Zanaka, ary Fanahy masina”.
Araka izany, fetin’ireo mpino kristianina ny fetin’ny pantekosta. Ankalazaina 50 andro aorian’ny fetin’ny paska izy. Noho izany, mifandray ary tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny vanim-potoan’ny paska ny fototra hiorenan’ny pantekosta. Raha tsiahivina, dingana amin’ny fankalazana ao anatin’io vanim-potoana isan’ny manan-danja eo amin’ny finoana kristianina io ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ny andron’ny zoma masina, ny fitsanganana tamin’ny andro fahatelo dia ny andron’ny paska izany, ny fiakarany tany an-danitra ny andron’ny Fiakarana na ny “ascension”, ary ny pantekosta. Ity farany, noho izany, no mamarana sy manakatona ny fankalazana ao anatin’ny vanim-potoana. Marika famantarana manokana ny Fanahy masina sy ny fetin’ny Pantekosta ny voromailala toy ny niseho tamin’ny andro nanaovana batemy an’i Jesoa, ny rivotra, ary ny afo.
Hetsika maro…
Rehefa izany, andro fifaliana ho an’ireo mpino kristianina io andro famaranana ny vanim-potoan’ny paska io. Eto amintsika, tsy afa-misaraka amin’ny andro fifaliana ny fikarakarana sakafo miavaka kely amin’ny andavanandro ka saika mirona amin’izay avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviana amin’ity faran’ny herinandro ity. Ankilany, firenena maro maneran-tany ihany koa no mametraka ny andro aorian’ny fankalazana ny fetin’ny pantekosta ho andro tsy fiasana na ilay antsointsika hoe “alatsinain’ny pankekosta”. Matetika no miova kely amin’ny fanao andavanandro ireo mponina ka misafidy ny hamonjy ireny hetsika ara-kolontsaina sy miavaka amin’ny mahazatra ireny. Santionany amin’izany ireto havoitra manaraka ireto izay hampiavaka ny alatsinain’ny pantekosta eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’ity taona ity.
-Misy ny “Lundi de pentecôte Tsinjaka Be” tanterahana eny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Izany hoe fampisehoana an-tsehatra iarahana amin’ireo mpanakanto kalaza amin’izao fotoana. Ahitana an-dry Dadi Love, Lion Hill, Lico Kininike, Agrad, Rootsman, Mirasoa, ary Nael.
-Ny fitsangatsanganana goavana eny Analamanga Parc, arahan’ny fampisehoana iarahana amin’i Mamina sy ny Groupe Daniel. Mampiavaka ity fotoana iray ity ihany koa anefa ny fampifalifaliana ireo mpanjifa amin’ny alalan’ny fikarakarana tombola ka moto roa no ho zaraina eny aorian’ny fisarihana.
-Ankoatra ny fampisehoana anefa dia manomboka mahasarika olona maro ihany koa ny fanaovana fizahantany anatiny rehefa vanin’andro fety toy izao. Natao indrindra hamaliana izay filàn’ny mpanjifa izay no antony nahatonga ireo mpikarakara dia hanomana fitsidihana an’Ampefy na ihany koa Mandraka, amin’ny alatsinain’ny pantekosta izao. Izany hoe any amin’ireo toerana tsy lavitra ny renivohitra kanefa mampiala voly ny fianakaviana rehetra.
Paska hieren-doza…
Rehefa izany, hihabetsaka ireo fiara mifamezivezy amin’ity faran’ny herinandro ity. Tanjona hapetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fotoana toy izao ny hanaovan’ny rehetra fety anaty fitoniana sy filaminana, lavitry ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona. Paikady hapetrak’ireo tompon’andraikitra, araka izany, ny hanamafisana ny fisavana ireo fiara sy kodiarandroa manerana ny Nosy mandritra ny fetin’ny pantekosta. Miara-mientana amin’ny fampiharana izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny lafiny fitanterana toy ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro, ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivaoizana an-tanety, ny DGSR, ny polisim-pirenena mbamin’ny zandarimariam-pirenena. Maro ary samy hafa ireo hetsika hotanterahan’ireo mpiantsehatra amin’ny fifamoivoizana ka tanjona iraisan’ny rehetra ny hampihena faran’izay kely ny lozam-pifamoivoizana mialoha, mandritra, ary aorian’ny fetin’ny pantekosta. Ho an’ny DGSR manokana, ohatra, efa natomboka hatramin’ny 09 mey ny hetsika fanentanana sy fanabeazana. Ary mbola mitohy hatrany ny hetsika fisavana alikaola izay atao eto Antananarivo sy ny manodidina hiadiana amin’ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny hamamoana hatramin’ny talata izao, ankoatra ireo fatao isaky ny faran’ny herinandro. Mihamafy ihany koa ny fanaraha-maso eny anivon’ny lalam-pirenena manerana ny Nosy sy eny anivon’ny tobim-piantsonana. Fehiny, ho entitra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mandritra ny hetsika pantekosta ieren-doza amin’ny fanasaziana ireo mihoa-pefy izay hanentanana hatrany ny mpampiasa lalana rehetra mba samy hanaja ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




