Songadim-baovaoToekarena

PDG MAMINIAINA RAVATOMANGA : « TSIA , ny amin’ny fandrobana, fandravana asa, ary ny fanafihana ny asa sy ny fandraharahana »

F
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Orinasa Sodiat , ny PDG Maminiaina Ravatomanga manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, izay nifanojo ihany koa tamin’ny andro iraisampirenena ho an’ny ady amin’ny tsy hisian’ny herisetra. Nametraka hafatra mafonja ho an’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Vondrona Sodiat ny tenany.  » Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny tsy hisian’ny herisetra izao dia misaotra indrindra anareo mpiara-miasa rehetra ato amin’ny Vondrona Sodiat aho. Na dia ao anatin’ny vanim-potoana sarotra sy manahirana aza isika, dia mbola manohy miasa amim-pahendrena, amin-kasahiana ary amin’ny maha-matihanina tanteraka ianareo » , hoy ny fanambarany. Notsindriany fa ireo mpiasa no tena herin’ny vondrona Sodiat, ary voaporofo, hoy izy, fa ny hoavin’i Madagasikara dia aorina amin’ny alalan’ny ezaka, faharetana ary firaisankina.

« Amim-pahasahiana sy amim-pahatokiana dia manamafy aho fa TSIA ny amin’ny fandrobana. TSIA ny amin’ny fandravana asa. TSIA ny amin’ny fanafihana ny asa sy ny fandraharahana », hoy hatrany ny fanambaran’ny PDG Maminiaina Ravatomanga, manoloana ny zava-niseho teto amin’ny Firenena. Mbola nohamafisiny koa mampiseho mazava ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Vondrona fa azo atao tsara ny manangana sy manatsara ny fiainam-pirenena, tsy amin’ny alalan’ny herisetra, fa amin’ny alalan’ny fahavononana sy ny firaisankina. Ary izany dia tsapa isan’andro, amin’ny alalan’ny fanoloran-tena sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpiasa.
 » Mirehareha ny aminareo aho, mirehareha ny amin’ny lalana efa nodiavintsika, ary indrindra mirehareha ny amin’izay mbola hatsangantsika miaraka, tanana mifandray, fo iray mitambatra. Aoka hitoetra ho iray saina sy iray fo isika, hijoro hatrany, ary handroso miaraka hatrany » , hoy izy teny ampamaranana.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer