Songadim-baovaoSosialy
PHARMALAGASY- FAMOKARANA FANAFODY VAOVAO: Dingana voalohany amin’ny fametrahana fanovana eo amin’ny lafiny fahasalamana
Fanafody tena ilaina amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka malagasy ary zakan’ny fahefa-mividiny no vokarin’ny Pharmalagasy amin’izao fotoana. Nampahafantarina ny zoma lasa teo ireo karazany fito, haparitaka manerana ireo tsenam-panafody. Hivoatra hatrany ary hitondra avo ny vita malagasy sy hitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fampandrosoana ny Pharmalagasy taorian’ny Covid-19…
Nanandratra ny maha izy azy ny firenena malagasy ny “Pharmalagasy” nanomboka tamin’ny famokarana ny CVO+, nandritra ny vanim-potoana nampirongatra ny valanaretina Covid-19 ireny. Nitondra avo ny zava-bita malagasy maneran-tany ity orinasam-pamokarana fanafody malagasy ity, raha tsy hilaza fotsiny, fa teto Madagasikara no nahitana ny taha ambany indrindra tamin’ny fahafatesana vokatry ny Covid-19 tamin’ireny fotoana ireny, ary mbola maro koa ireo firenen-kafa niaiky sy resy lahatra ka nanafatra io fanefitry ny valanaretina nandripaka olona maro maneran-tany io. Ankehitriny dia mivoatra sy manome lanja hatrany ny maha izy azy ny vokatra malagasy izy, satria dia karazam-panafody tsy mena-mitaha amin’ny avy any ivelany miisa 07 indray izao no vokariny taorian’ny CVO+. Anisan’izany ireo karazam-panafody amin’ny filàna andavanandro, toy ny Paracetamol, Ibuprofen, Allopurinol, Chlorphéniramine, sns. Izao famokarana vaovao izao, dia nambaran’ny Filohan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Pharmalagasy (PCA) Raboana Holijaona, fa dingana voalohany amin’ny fametrahana ny fanovana eo amin’ny lafiny fahasalamana izao famokarana vaovao izao. Nomarihan’ity tompon’andraikitra, fa dingana tena matihanina izao ataon’ny Pharmalagasy izao mba ho hahalalan’ny mpanjifa sy mpaninjara fanafody.
Mitsinjo ny sosialim-bahoaka…
Natao hitsinjovana ny sosialim-bahoaka ny vokatra vokarin’ny Pharmalagasy, raha ny nivoitra tao amin’ny efitrano fivorian’ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 23 Mey lasa teo, satria natao ho takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy. Izany dia mifanindran-dalana amn’ny politika entin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika sy tanterahin’ny Pharmalagasy. Nambaran’Andriamatoa PCA Raboana Holijaona, fa hisy ny fitsinjovana manokana ireo fianakaviana marefo eo amin’izay fanjifana fanafody vokarin’ny Pharmalagasy izay aoriana kely, torak’izany ireo mpianatra madinika. Nomarihan’ny Tale jeneraly lefitra, Rajohnson Hanitrinialasoa, ihany koa, fa nanomboka tamin’ny famokarana CVO+ ka mandraka ankehitriny dia mitsinjo hatrany ny vahoaka malagasy ny Pharmalagasy amin’izao famokaram-panafody vaovao izao. Hamokatra fanafody fandidiana koa ny Pharmalagasy atsy ho atsy, hiitatra hatrany ka hahatratra hatramin’ny 100 ireo fanafody hovokariny ary hipariaka hatrany Afrika. Marihina fa iaraha-miasa amin’ireo firenen-kafa ny famokarana fanafody ataon’ny Pharmalagasy, ary manaraka ny fenitra sy eken’ny OMS, ary hivoatra amina sehatra samihafa. Mpisehatra amin’ny lafiny fanafody maro no tonga niatrika ity fampahafantarana fanafody vokarin’ny Pharmalagasy teny Mahamasina ity, toy ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy farmasiana.
Stan R.



