Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

POA-BASY TENY ANALAKELY: Jiolahy 07 indray nanafika, mpandraharaha iray namoy ny ainy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona teny Analakely, omaly maraina. Raha ny fantatra dia andian-jiolahy no nanatanteraka ity fanafihana ity, ary ilay niharam-boina dia lehilahy iray mpandraharaha amina fanakalozam-bola ireny, araka ny filazan’ny manodidina teny amin’ny nisian’ny fanafihana. Miisa 07 be izao ireo jiolahy indray nanatanteraka ity fanafihana mitam-piadiana ity, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso. Ny 03 niambina teo ivelany, ary ny 04 ambiny nanatanteraka ny fanafihana mivantana. Tsy nisy alaharo fa tifitra avy hatrany no nasetrin’ireo jiolahy, raha ny filazan’ny manodidina ihany. Ankoatra izay, fantatra ihany koa tao anatin’izany, fa nisy Mpitandro filaminana nandalo sy nahita ity tranga fanafihana ity, niditra an-tsehatra avy hatrany nitifitra ireto olon-dratsy ka nahavoa ny iray teo amin’ny kibony. Tsy nampianjera an’ity farany anefa izany, fa mbola tafaporitsaka niaraka tamin’ny namany ihany ilay io. Hatramin’ny omaly hariva, tsy mbola fantatra na nisy vola lasan’ireto olon-dratsy. Nambaran’ny manodidina fa toy ny tsy nisy inon’inona nialan’ireo jiolahy teny an-toerana, tsy nisy fikoropahana na fanapoahana basy intsony fa toa niala am-pilaminana. Ny fianakavian’ny maty moa, hatramin’ny omaly hariva, dia mbola teo am-pikarakarana ny razana teny amin’ny hopitaly. Tsapa tato ho ato fa nirongatra ny tsy fandriam-pahalemana an-tanàn-dehibe. Anisan’izany ny eto Antananarivo. Ny eo anivon’ny Polisim-pirenena anefa, tsy mihemotra fa miroso hatrany manao izay tratry ny heriny amin’ny famongorana ireo olon-dratsy, ary efa maro ireo olon-dratsy tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny, vokatr’izany. Araka ny loharanom-baovao voaray aza, dia hatramin’ny omaly hariva ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Polisim-pirenena nivory manoloana ity tranga tsy fandriam-pahalemana mitady hahazo vahana ity.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer