PolitikaSongadim-baovaoSosialy
POLYTECHNIQUE VONTOVORONA : Miverina misokatra, tsy miala amin’ny fonenany ny mpianatra
Fanapahan-kevitra samirery noraisin’ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo ny fanakatonana ny Polytechnique Vontovorona, sy ny fanesorana ireo mpianatra teny amin’ny trano fonenany, fa tsy hevitry ny Governemanta, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly. Efa nisy, araka ny fantatra hatrany, fanapahan-kevitra vaovao nanokatra indray ny oniversite, ary manajanona ny mpianatra amin’ny trano fonenany.
Nisy ny fanapahan-kevitra nivoaka ny alakamisy teo, izay nosoniavin’ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, nanakatona hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny eny amin’ny Polytechnique Vontovorona, taorian’ny fitokonan’ny mpianatra. Maro ny gaga tamin’ity fanapahan-kevitra ity. Ary tamin’ny ankapobeny dia vao maika niteraka savorovoro teo amin’ireo mpianatra izany, sy tamin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ihany koa. Marihina fa tonga hatramin’ny fanesorana ireo mpianatra amin’ny trano fonenany izany fanapahankevitra nivoaka izany.
Omaly, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana “Tsy ho tompontrano Mihono” no nanazavan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny Profesora Elia Béatrice Assoumacou, fa fanapahankevitra samirery noraisin’ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo iny nivoaka iny, fa tsy nisy fakan-kevitra tamin’ny filankevi-pitantanan’ny Oniversite, no tsy nisy ny hevitry ny Filankevitra ambony, araka ny voafaritry ny lalàna mifehy ny Oniversite 2002-565, ao amin’ny andininy faha-30 izay mamaritra ny anjara asan’ny Filohan’ny Oniversite sy ireo rafitra tokony hakan-kevitra mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe. Noho izany, tsy mitombina ny fepetra fanakatonana ny oniversite sy ny fandroahana ny mpianatra hiala amin’ny trano.
Vatsim-pianarana, fotodrafitrasa, herinaratra
Tetsy ankilany, nilaza ny antsipiriany mahakasika ny fitantanana ny vatsim-pianarana eny anivon’ny anjerimanontolo ihany koa ny Minisitra tomponandraikitra omaly. Nambarany fa manaraka ny tetiandro tokony ho izy tanteraka ny fandaminana ny fizarana ny vatsim-pianarana amin’izao. Ny fangatahan’ny mpianatra ny fanemorana ny daty farany hahafahana manao ny fangatahana vatsim-pianarana no nampisy fihemorana ihany koa ny fikirakirana ny lisitra sy ny asa rehetra tokony hatao mifanaraka amin’izany, hoy ny Minisitra. Notsindriany fa ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Nomerika, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ihany koa dia miara-misalahy amin’ny fandavorariana ny fizarana ny vatsimpianarana amin’ny alalan’ny nomerika.
Ankoatra izay, nilaza ny Minisitra tomponandraikitra fa efa mandeha ny asa fanamboarana ny trano fonenan’ny mpianatra eny amin’ny Polytechnique Vontovorona, na izany fanarenana ireo main’ny haintrano, na ireo fotodrafitrasa vaovao. Nambarany anefa fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana izany fotodrafitrasa izany fa tsy maintsy manaraka ny pitsopitsony rehetra amin’ny maha tsenan’asam-panjakana azy. Toy izany ihany koa ny famahana ny olan’ny herinaratra izay efa nandraisana fepetra manokana teo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta.




