SamihafaSongadim-baovaoSosialy
PR VOLOLONTIANA SY DANIEL RANDRIAMARO : Notolorana ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’Ordre National »
Olona roa samy nahavita be teto amin’ny firenena, na ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, na ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, Daniel Randriamaro. Tsy nisy tsy niaiky ny rehetra fa mendrika ny zava-bitan’izy ireo. Antony nahatonga ny Fitondram-panjakana nanolotra azy ireo ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’ordre National », omaly, tetsy anoloan’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Lanonana notarihin’ny Minisitry ny Seraseras sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo.
Lalan-tsaina vaovao tian’ny mpitantana ankehitriny voizina ny fanomezana fankasitrahana ireo olona nahavita be teto amin’ny firenena, dieny mbola fahavelony. Ny zavatra nisy tokoa mantsy hatramin’izay dia efa nodimandry foana matetika ny olona iray vao salorana ireo karazana mari-boninahitra isankarazany, ka tsy mba niaina izay tombontsoa amin’ny fananana izany akory. Araka izany, anisan’ireo olona voasokajy ho nahavita be teto amin’ny firenena ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, izay fantatry ny rehetra tamin’ny maha mpitondra tenin’ny Foibem-pibaikoana momba ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika, ka notoloran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’Ordre National », tamin’ny alalan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Niaraka notolorana taminy tamin’izany ihany koa ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Daniel Randriamaro, izay tsy zoviana amin’ny rehetra tamin’ny fitantarana ireo lalao ara-panatanjahantena marobe teo anivon’ny Radio nasionaly malagasy (RNM).

Sarotra ny andraikitra nosahanin’ny Profesora Vololontiana
Niantsoroka ny adidy goavana nandritra ny fotoana niatrehana ny ady amin’ny Coronavirus ny Profesora Vololontiana. Araka ny nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, 204 andro tsy niato no nitondrany ny tatitry ny fivoaran’ny aretina tamin’ny haino aman-jery. Mavesatra ny andraikitra noraisiny satria tao anatin’ny fotoana manahirana iainan’izao tontolo izao no niantsoroka izany adidy izany ny tenany. Notsindrian’ny Minisitra, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa tsy mora ny mitatitra ireo karazana vaovao momba ny Covid-19, izay tsy voatery ho tsara foana fa matetika mihitsy aza no ratsy. Indrindra tamin’ireny fotoana nampirongatra be ny valanaretina ireny. Midika izany fa nilana herin-tsaina goavana ireny asa nataon’ny Pr Vololontiana ireny. Mbola nambaran’ny Minisitra aza fa raha misy tokony ho antsoina hoe “Femme de l’année” dia ny Pr Vololontiana no tokony hahazo izany.
Tsara ho fantatra fa ankoatran’ny nahalalana azy teo amin’ny fizaram-baovao momba ny Covid-19, dia sady sojaben’ny Fakiolten’ny sampam-piofanana ho mpitsabo eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ihany koa izy. Maro ihany koa ny efa zava-bitany teo amin’ny lafiny ara-pitsaboana sy ny fampianarana ambony. Ary vao ny filan-kevitry ny minisitra, ny Alarobia teo koa, no nanendry azy ho mpandrindra nasionaly indray ny “Office National de Nutrition” na ny ONN.

35 taona naha mpanao gazety ara-panatanjahantena I Daniel Andriamaro
Mpanao gazety ara-panatanjahantena tsy zoviana amintsika ny feony raha i Daniel Randriamaro. 35 taona nanandratana izany asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena izany tao amin’ny RNM izy. Na dia efa nisotra ronono aza izy dia mbola nanohy nanome fotoana ho an’ny RNM hatrany. Hafa dia hafa rehefa izany Daniel Randriamaro izany no mampiaina mivantana ny lalao ara-panatanjahantena iray. Niaiky mihitsy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, fa sarotra ny mitady mpandimby ity andrarezin’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena ity. Tsara ho fantatra fa niatrika lalao iraisam-pirenana maro izy ary nampita izany tamin’ny mpihaino. Ankoatra ny fitantarana lalao dia hahalalan’ny maro azy hatramin’ny ankehitriny ny fandaharana Ainga sy Hery izay niasany nandritra ny 28 taona.
Nilaza I Daniel Randriamaro, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa efa tsy nieritreritra ny hahazo izany mari-boninahitra izany intsony ny tenany, ary efa nanafatra ireo mpiara-miasa sy akaiky azy mihitsy aza hoe tsy mila omena ireny mari-boninahitra ireny rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy handehanana any amin’ny mandrakizay. Tamin’ny fo feno hafaliana sy fankasitrahana tanteraka noho izany, no nandraisany ity mari-boninahitra ity avy tamin’ny Fitondram-panjakana.




