Songadim-baovaoSosialy
PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN: « Hanova ny tantara sy ny endrika hoenti-mampandroso ny any Atsimo isika »
Nisy fivoriana manokana notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian omaly maraina, niarahana tamina mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Governemanta sy ireo mpiara-miombona antoka amin’ny Fanjakana Malagasy, nandinihana akaiky momban’ny toe-java-misy any Atsimon’ny Nosy manoloana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, sy ny fomba hampandrosoana amin’ny fomba maharitra iny Faritra iny.
Paikady matotra sy maharitra no naroson’ny Governemanta Malagasy an’ireo mpiara-miombona antoka miara-misalahy mitady vahaolana amin’ny momban’ny toe-java-misy any Atsimon’ny Nosy, manoloana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny lamina hampandrosoana amin’ny fomba maharitra iny Faritra iny. Araka ny fanazavana noentin’ny Praiminisitra dia tapaka nandritra ity fihaonana ity fa hohatsaraina ny fandrindràna ny asa rehetra mahakasika ny any amin’ny Faritra Atsimo. Nohamafisiny fa na teo aza ny ezaka natao tao anaty fiaraha-miasan’ny Governemanta sy ireo mpiara-miombona antoka hatrizay, ankilany ihany koa ny tsy fahampian’ny rotsak’orana tamin’ity taona ity, dia tsapa fa mila fanovana tanteraka ny fomba entina hanarenana ny fampandrosoana any Atsimo . Notsipihiny mazava fa « tsy afaka mionona amin’ny fomba hatrizay isika, dia ny tetikasa fohy ezaka fotsiny, fa tsy maintsy mijery ny lavitr’ezaka ihany koa ; tafiditra ao anatin’izany hoy ny Praiminisitra ny resaka rano, ny fambolena, ny fiompiana, ary ny fotodrafitrasa fototra. Izany no atao hoy ny tenany dia hanatsaràna ny tontolon’ny fampandrosoana any Atsimon’ny nosy, izay hita fa mitarazoka tokoa sy ho fitsinjovana ireo vahoaka eny ifotony », araka ny fampitam-baovao.
Miara miasa amin’ny mpiara-miombona antoka
Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa miara-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombona antoka ireo ny Fitondram-panjakana. Tamin’izany indrindra no nitondrany fanampim-panazavana manoloana ny vola hoenti-manatanteraka izao tetikasa goavana sy maharitra izao. Misy, hoy izy, ny vola fanampiana noraisina avy amin’ny mpiara-miombona antoka, ary misy ihany koa ny avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana, ka ny fandrindràna an’izany no tsy maintsy ifampiresahana amin’izy ireo, satria « hanova ny tantara sy ny endrika hoentina hampandrosoana ny any atsimo isika ». Naneho fisaorana ho an’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fivoriana ihany koa ny Praiminisitra, ary nampahafantariny fa betsaka ny olona lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny any Atsimo, Izany indrindra hoy ny tenany no namolavolan’ny Governementa ireo tetikasa maro ireo, izay hentina hanampiana an’ireo mpiray Tanindrazana any Atsimo ireo.
Sata (mpianatra asa)




