
Politika
PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN : « Miaina ao anatin’ny demokrasia ny Firenena »

Nigadona teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Marihina fa tsy tazana sy tsy re firy izy, tamin’iny herinandro lasa iny. Inona marina no antony ? Tsy nihafahafa ny tenany namaly ny ahiahin’ireo vahoaka. « (…) Be dia be moa ilay resaka hoe : aiza ny Praiminisitra, maninona izy… Izaho aho izao. Dia ny zava-dehibe fotsiny dia izao : ny olombelona rehetra dia nofo aman-drà ary ao anatin’izany dia tsy maintsy misy foana ny fanaovana fitsirihina ara-pahasalamana izay tsy maintsy atao. Izay no zava-nisy, ary tsy tokony handeha ankoatra ny lafiny ohatran’izany. Misy miteny hatramin’ny hoe voan’ny AVC ny Praiminisitra ; voan’ny fanapoizinana ny Praiminisitra, sns, sns… Izany no hahatsapanareo tokoa fa raha hino ny zava-drehetra ao anatin’ny « Facebook » ianareo dia ho very. Ary efa voalazako ombieny ombieny fa malalaka ny eto amintsika, miaina ao anatin’ny Demokrasia ity Firenena ity », hoy izy.
Mila fahatongavan-tsaina…
Tsy niolaka ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, nanambara ny mahakasika ny tambajotra ara-tsosialy sady nanantitrantitra fa « be dia be ny Firenena amintsika miteny izao, no tsy manaiky ny fisian’ny zavatra ohatra izany. Miditra any am-ponja mihitsy, ary tapahina ny Facebook amin’ny Firenena maro, izay averiko fa Firenena mandroso, mandala ny demokrasia, ary tsy kianina mihitsy, eran-tany ». Nasongadiny fa
isika dia miaina ao anatin’ny demokrasia. Izany demokrasia izany mila fanabeazana, mila fahatongavan-tsaina, mila samy tomponandraikitra dia ho antsika Malagasy rehetra. Tsy izay zavatra resahina dia ho marina daholo.
Nisaorany manokana ireo mpiara-miasa taminy, izay naneho fahatoniana hatrany, teo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra, ny amin’izay tsy fihainoana fahatany ny zava-misy fa mipetraka ao anatin’ny fahatoniana foana, mandinika ary mijery, mamakafaka. Heverina, araka izany, fa nahavaly ireo tsaho niely sy resabe nandeha tao anaty tambajotra ara-tsosialy ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly iny.




