Songadim-baovao

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN : « Vinavinaina ho ny 50%-n’ny mponina hisitraka ny angovo azo havaozina »

Nosantarin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian sy ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Issa Sanogo, omaly maraina, teny Ivato, ny tetikasa momba ny fandrindrana ara-bola ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Miompana amin’ny fampivoarana ny sehatry ny angovo maharitra ity tetikasa iarahan’ny Governemantan’i Madagasikara sy ny Firenena Mikambana ity…

 

Zava-dehibe ho an’ny mponina ny tetikasa iarahana amin’ny Firenena mikambana toa izao.

Nosantarin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian sy ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Issa Sanogo, omaly maraina,  teny  Ivato, ny tetikasa  momba ny fandrindrana ara-bola ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina sy  herinaratra eto Madagasikara. Nasongadin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta fa ilaintsika izany angovo azo havaozina izany, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. « Isika moa manana vina, mba ho ny 50%-n’ny vahoaka malagasy, mba hisitraka ny  angovo azo havaozina izany eto amin’ny Firenena. Ny finiavana hanatanteraka izany, dia tohanan’ny Fitondram-panjakana iray manontolo », hoy hatrany ny fanazavana. Misy ny ezaka hatao, indrindra ny fanatsarana eo amin’ny rafitra. Iaraha-mahita ny olana eo anivon’ny Jirama. Ny fanavaozana ny rafitra, hoy hatrany ny Praiminisitra, no entina hampirisihina ireo, eo amin’ny sehatra tsy miankina, handraharaha ao anatin’ny angovo azo havaozina izany.

Miompana amin’ny fampivoarana ny sehatry ny angovo maharitra ity tetikasa iarahan’ny Governemantan’i Madagasikara sy ny Firenena Mikambana ity, satria manana anjara toerana stratejika amin’ny fanovana ara-toekarena sy fanatsarana ny filaminan’ny mponina. Ny Tahirim-bola iombonana ho an’ny tanjona fampandrosoana maharitra (SDG Fund) dia namatsy  vola mitentina 7.733.345 dolara. Ny famatsiam-bola iarahana amin’ny UNDP dia nanome vola mitentina 1.000.000 dolara, ny UNIDO kosa, 150.000 dolara, raha 100.000 dolara ny an’ny  UNCDF. Mandritra ny efa-taona ny fanatanterahana ity tetikasa ity, izay  manomboka amin’ity taona  2022 ka hatramin’ny 2026, iarahana amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Olona miisa  80.000 farafahakeliny no kendrena hahazo tombony amin’ny tolotra angovo maharitra, ka ny 40% ireo, dia tanora, raha ny 40% kosa, ny vehivavy. Tanjona ny hanohanana tetikasa angovo manodidina ny enimpolo, hisorohana ny famoahana mivantana ny  rivotra maloto, farafahakeliny 120.000 taonina ary hampitombo avo folo heny ny fampiakarana ara-bola ho an’ny sehatry ny angovo.

Fermer