PolitikaSongadim-baovao

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN: “Vola amina miliara maro voahodinkodina eny amin’ny Oniversite”

Vahaolana maharitra napetraky ny Fanjakana hamahana ny olan’ny vatsim-pianarana eny anivon’ireo Oniversitem-panjakana rehetra manerana ny Nosy ny fidirana amin’ny “Digitalisation”. Nilaza ny Praiminisitra omaly fa misy tomponandraikitry ny oniversite sasany tsy mankasitraka izany, noho ny fisian’ny fanodinkodinam-bola amina miliara maro izay efa nisy an-taonany maro.

Olana efa an-taonany maro, ary efa niverimberina foana ny olan’ny vatsim-pianarana eny amin’ny Anjerimanontolo. Tranga izay nahatonga ny Fanjakana ankehitriny namotopototra lalina ny tena olana. “Rehefa nangatahinay ny lisitry ny mpianatra eny amin’ny Oniversite dia tsy afaka nanome ny tomponandraikitra, na dia tao anatin’ny fotoana lava aza, nefa ry zareo no manome ny vatsim-pianaran’ny mpianatra”, hoy ny Praiminisitra, omaly, nitondra fanazavana. “Manonina no tsy afaka nomena eo no ho eo izany lisitra izany izy ireo?”, hoy izy. Tahaka izany koa ny mpandraharaha eny anivon’ny Anjerimanontolo, izay misy efa tsy miasa intsony, efa misotro ronono, misy efa maty, nefa mbola hita ao anatin’ny lisitry ny mpiasa hamoaham-bola, araka ny fanazavana. Tranga izay mahatonga vola amina miliara maro miala ao anaty kitapom-bolam-panjakana, araka ny fanazavana hatrany. Tsy maintsy manao fanavaozana isika amin’izao fotoana izao, hoy. Amin’izay fantatra daholo ireo olona tokony hisitraka, na ny vatsim-pianarana izany, na ny karama.

Tsy nisy fifanomezan-tanana hatramin’ny voalohany

Misy tsy mankato ity tetikasa ity ny tomponandraikitra any amin’ny Oniversite…isika anefa tsy afaka ny hijanona amin’ny zava-misy ankehitriny fa tsy maintsy miditra amin’ny fitantanana mahomby, dia ny fidirana amin‘ny Digitalisation”, hoy ny Praiminisitra. Ity farany izay nilaza fa efa mamaraparana ny tetikasa ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Efa hatramin’ny voalohany no efa tsy ampy ny fifanomezan-tanana avy amin’ny tomponandraikitry ny oniversite, raha ny fanazavana. “Misy mihitsy milalao ny mpianatra mba tsy hanaovana ny tetikasa… Vola amina miliara maro anefa no ambadik’izany rehetra izany, ary izany tsy azo ekena”, hoy hatrany Praiminisitra. Tsy maintsy ovaina, noho izany, ny fitantanana ankehitriny.  Ka tanjona ny hananan’ny mpianatra « carte bancaire » sy « carte d’étudiant ». Amin’io fomba fiasa vaovao io dia mandeha mivantana any amin’ny mpianatra ny vola. Toy izany koa ny mpiasa any amin’ny oniversite. Niaiky ny Lehiben’ny Governemanta fa rehefa manao fanavaozana ny firenena dia tsy maintsy misy mametraka olana hatrany, saingy ny finiavan’ny Fitondram-panjakana hiroso no zava-dehibe. Tsara tsindriana, noho izany, miroso avy hatrany ny fizarana ny vatsim-pianarana, rehefa vita io “digitalisation” io.

Fermer