PolitikaSongadim-baovao

PRAIMINISITRA NTSAY : “Manaraka ny Lalàmpanorenana ny firosoana amin’ny fifidianana Loholona »

Manaja hatrany ny lalàna velona eto amintsika ny Fanjakana, ary manaja hatrany ny Lalàmpanorenana, hoy ny Praiminisitra omaly tao amin’ny fahitalavi-panjakana, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Tsara ho fantatra fa voafetran’ny lalàna ny fe-potoam-piasan’ny Loholona amperinasa amin’izao fotoana izao, hoy izy. Ary fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ny fanitarana izany fe-potoam-piasana izany.

22 Janoary 2016 ny fanapahana avy tamin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ( HCC), namoaka ny valim-pifidianana Loholona teto amintsika. Ny 21 Janoary 2021 araka izany, no tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo amperinasa amin’izao fotoana ireo. Raha tsy voahaja anefa ny fe-potoam-piasana dia fanitsakitsahana Lalampanorenana izany, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ity tompon’andraikitra ity izay namaly ireo tsikera isankarazany mahakasika ny filazana fa tsy tan-dalàna ny Fanjakana, hatrany amin’ny fampandaniana ny Volavolandalàna laharana 001/2020, ka hatramin’ny famoahana ny datin’ny fifidianana amin’ny 11 Desambra. Notsiahivin’ny Praiminisitra noho izany, fa tsy afaka nandika ny lalàmpanorenana ny Filoha tamin’ny fanafoanana ny Antenimierandoholona, izay efa fampanantenana nataony. Ny teo anivon’ny “Senat” rahateo koa nanohitra izany. Nisy noho izany ny fandraisana ny hitsivolana izay natao mba hahafahana mampihena ny isan’ny Loholona. Tsiahivina fa ny Antenimierandoholona ihany no nangataka teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa tsy maintsy mandalo amin’ny lalàna fankatoavana ny hitsivolana raisin’ny Filoha. Izany hoe, tsy maintsy entina eny amin’ny Antenimierampirenena, sy ny Antenimierandoholona. Noho ny fanajana ny fanapahana nataon’ny HCC dia narahana avokoa ireo voalaza ireo, ary nentina teny amin’ny antenimiera roa tonta ny hitsivolana noraisin’ny Filoha.

Tsy nitovy hevitra mihitsy

Tsy nitovy hevitra anefa ny Antenimiera roa tonta. Nivezivezy teo ireny hitsivolana ireny fa tsy nisy marimaritra iraisana, hoy ny Praiminisitra. Araka ny andininy faha-96 ao amin’ny Lalampanorenana ihany, rehefa tsy mitovy hevitra ny Antenimiera roa tonta, dia afaka manangana ny “Comission mixte Paritaire” ny Praiminisitra. Zavatra efa nifanarahana teo anivon’ny Fitondram-panjakana izany, ary ny Lalàmpanorenana no najaina, hoy izy. Tsy nisy hatrany anefa ny fitovian-kevitra teo amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, hoy ny Praiminisitra. Araka izany, tsy maintsy narahana izay voalazan’ny andalana farany ao amin’ny andininy faha-96 ao amin’ny lalàmpanorenana ihany, izay milaza fa an’ny Antenimierampirenena no teny farany rehefa tsy misy ny fitovian-kevitra eo amin’ny roa tonta. Ary ny maro an’isa no nandany ireo hitsivolana ireo tao amin’ny Antenimierampirenena.

Efa maro ireo fifidianana tany aloha no natao tao anaty vanim-potoan’ny fahavaratra fa tsy vao sambany io amin’ny 11 Desambra io, hoy ny Praiminisitra. Ohatra amin’izany ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidiana Filoham-pirenena tamin’ny 20 Desambra 2013, sy tamin’ny 19 Desambra 2018. Noho ny hamehana anefa dia tsy afaka nirosoana talohan’io daty io ny fifidianana. Antony koa, tsy nahafahana nanatanteraka fifidianana teny anivon’ny Faritra sy ny Faritany. Farany, nilaza ny Praiminisitra fa tsy tokony hamadika ny valim-pifidianana ireo kaominina vitsivitsy tsy mbola nahazo ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna.

Fermer