PolitikaSongadim-baovao
PRAIMINISITRA TAO MAHAJANGA: Niantso firaisankina amin’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy
Tany Mahajanga ny Praiminisitra Ntsay Christian miaraka amin’ny ampahany amin’ireo Minisitra eo anivon’ny Governemanta, ny faran’ny herinandro teo. Isan’ny voaresaka nandritra ny fihaonany tamin’ireo tomponandraiki-panjakana, olom-boatendry sy olom-boafidy, ny fahaizana miara-miasa. “Ny fahaizan’ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy miara-miasa no mampirindra ny Veliranon’ny Filoham-pirenena, amin’ny fampandrosoana”, izay no anisan’ny teboka lehibe noresahin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, raha nandray fitenenana izy. “Ny lalan-tsaina tokony hipetraka amin’ny tsirairay dia ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena. Tao anatin’izany rahateo no nametrahana ny programanasa hanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Na olom-boatendry ianao na olom-boafidy dia manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany izany vinan’ny Filohan’ny Repoblika izany. Adidintsika tsirairay any amin’ny rafitra isan’ambaratongany no manao ny asantsika amin’ny tokony ho izy. Tsy ho an’ny Filohan’ny Repoblika izany fa ho an’ny vahoaka malagasy”, hoy ny Praiminisitra.
Notsindrian’ny Praiminisitra fa ny fahefam-panjakana, dia fahefan’ny vahoaka, ary ny Mpiasam-panjakana dia mpiasam-bahoaka. “Tokony manana lalan-tsaina manompo isika fa tsy tompoina. Mila manana fanetre-tena”, hoy hatrany izy.
Fanatsarana ny sosialin’ny Mponina
Marihina fa mpikamban’ny Governemanta maro no tonga any an-toerana. Isan’izany ny Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy, ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, Soafilira Princia. Ny tenany izay nanao tatitra tamin’ireo Solombavambahoaka mahakasika ny asa vita, sy ireo vinan’asa hotanterahina amin’ny ho avy. Tafiditra ao anatin’ny noresahin’ny Minisitry ny Mponina ny vinan’asa entina hanatsarana ny sosialin’ny mponina. Tsara ho fantatra fa teo am-pahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina dia efa tonga nitsena ny Minisitra Soafilira Princia ireo vehivavy anaty fikambanana maro ka anisan’izany ny Viavy Miavotse.




