PolitikaSongadim-baovao
PRAIMINISITRA: “Tokony hohajaina ny fifandimbiasam-pahefana demokratika”
Nandritra ny fanamarihana ny fahatsiarovana ny faha-46 taona nahafatesan’ny Jeneraly Ratsimandrava no nanipihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian mazava tsara fa efa nisafidy ny ho tany Demokratika isika, ka tokony hajaina ny fifandimbiasam-pahefana demokratika. Fotoana ihany koa nanindriany fa ny fanajana ny safidim-bahoaka no fototry ny demokrasia, na dia mila henoina avokoa aza ny hevitry ny rehetra.
Lesona maro no azo tsoahina tamin’ny tantaran’ny Jeneraly Ratsimandrava, hoy ny Praiminisitra omaly. Isany lehibe indrindra noresahiny ny mahakasika ny tsy tokony hanomezana lanja ny fandemen-tsaina. Endrika iray hahafahana manakorontana ny filaminan-tsaina, hoy izy, ny fandemen-tsaina. “Isika dia nisafidy ny ho tany mandala ny demokrasia, sy ho firenena tan-dalàna, ka tokony ho hajaina izany”, hoy ny Praiminisitra. Ity farany izay nampahatsiahy fa hatramin’ny taona 2018, napetraka teto amin’ny Firenena ny kianja malalaka teo amin’ny sehatra politika. Nanatanteraka ny asany araka ny ho tokony ho izy daholo ny Andrimpanjakana rehetra, hoy izy. Nandritra izay roa taona izay no nandehanan’ny fifidianana rehetra, nanomboka tany amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana Solombavambahoaka, ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna, ary farany teo ny Senatorialy. Ny fahatanterahan’ireo rehetra ireo no mahatonga antsika ho voasokajy isan’ireo firenena mandala ny demokrasia aty Afrika, amin’ny toerana ambony, hoy ny Lehiben’ny Governemanta. Noho izany, tokony hiandry ny fifidianana am-pitoniana ny rehetra. Manoloana ireo fihetsiketsehana samihafa ataon’ny avy amin’ny fanoherana, nahitsy ny tenany nilaza fa ny Fanjakana dia hametraka hatrany ny maha firenena tan-dalàna antsika. Araka izany, kilalao maloto ny fandemen-tsaina, hoy izy.
Nanamafy ny Praiminisitra omaly, manoloana ireo fanehoan-kevitra maro samihafa mandeha ankehitriny, fa tokony ho jerena hatrany ny soa iombonana, hahatongavana amin’ny tanjona tiantsika ho tratrarina, dia ny fampandrosoana. Izany ihany, hoy izy, no lalan-tokana hialana amin’ny fahatarana goavana iainan’ny firenena ankehitriny. Nohantitranteriny fa ny demokrasia dia ny fanajana ny maro an’isa, fa ihany koa, fihainoana ny vitsy an’isa raha azo raisina ny ambarany. Tsy midika anefa izany fa ny vitsy an’isa ihany no afaka miteny. “Ny fanajana ny safidim-bahoaka no fototry ny demokrasia sy ny firenena tan-dalàna”, hoy hatrany izy.
Fahavalom-pirenena!
Tetsy ankilany, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, Rakotonirina Léon Richard dia nanamafy fa mila fitoniana isika eto Madagasikara. Mbola eo, hoy izy, ireo fahavalo tsy hita maso izay mitoetra eto amin’ny firenena, dia ny Covid-19, ny Kere, sy ny sisa hafa koa. “Tsy ilaintsika ny fanakorontanana eto amin’ny Nosy. Tsy ilaina ny fanasoketana ny mpitandro filaminana izay manao ny asany. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ireo. Ireo izay minia manakorontana sy manasarasaraka ny mpitandro ny filaminana dia raisintsika ho toy ny fahavalom-pirenena satria tsy mijery afatsy ny tombontsoa manokana”, hoy ny teniny.
Ity tomponandraikitra ity izay nitsotra fa efa mandroso tanteraka ny fametrahana ny fandriampahalemana eto Madagasikara ankehitriny. Betsaka ny ezaka vita teto anivon’ny firenena amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Raha tsiahivina, ny taona 2019 nisy ny fakana an-keriny isan-kerinandro. Noho ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana, lefy ny fakana an-keriny ankehitriny. Ny 2019 koa, betsaka ny faritra mena teto Madagasikara, isan’izany ny distrikan’I Tsaratanàna, Isandra, Ambohimahasoa, Sakaraha, Morombe, Amboasary, Betroka, midongy atsimo, Iakora, Vohibe. Efa ho isanandro dia nahazoana tatitrana fanolanana, halatr’omby, sy ny sisa hatrany ireo toerana ireo. Ankehitriny, ireny toerana rehetra ireny dia efa manomboka miaina araka ny tokony ho izy.




