Songadim-baovao

Prefen’Antananarivo : Tsy maintsy andraisana fepetra ny « Miara-manonja »

Nanatanteraka tatitra momba ny zava-niseho ny asabotsy lasa teo, tetsy Analakely ny eo anivon’ny Emmo/Far, tetsy Ankadilalana omaly antoandro. Nilaza ny Prefen’Antananarivo fa tsy maintsy andraisana fepetra ny fihetsiketsehana politika « Miara-manonja », raha mbola mitohy ny fanakorontanana saim-bahoaka, fiantsoana fankahalana…

Nanatanteraka tatitra ny teo anivon’ny Emmo/Far omaly, tety Ankadilalana.

« Tsy manao didy jadona ny Prefektioran’Antananarivo fa paikady fisorohana no natao.  Tsy famoretana araka ny aelin’ny sasany any anaty Facebook, amin’ny fanapahana lalana. Ireny no natao dia ho fisorohana ny fisian’ny fanakorontanana rehetra toy ny eo Analakely, Behoririka sy Ambohijatovo », hoy ny Prefen’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Christian Angelo, omaly tetsy Ankadilalana. Nasongadiny fa zon’ny solombavambahoaka ny manao tatitra ary izay no antony nanomezana ny tany malalaka izay hahafahan’izy ireo manao izany, satria tany tan-dalàna i Madagasikara. Tsy azo sakanana momba izany ny depiote ka antony nanomezana ny toerana teny amin’i Soamandrakizay, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny boriborintany fahadimy. Nahitsy ny Prefen’Antananarivo fa andraisana fepetra io fihetsiketsehana politika « Miara-manonja » io satria fanakorontanana saim-bahoaka, fiantsoana fankahalana, fanompana olona. Na izany aza, tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny fepetra horaisina.

Naneho ny fialan-tsiny…

Isaorana ny vahoaka nanampy ny mpitandro filaminana nanao ny asany. Tena ilaina ny fifanomezan-tanana tahaka ireny, ka nizorana tamin’ny filaminana, raha ny nambaran’ny Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena eto Antananarivo, ny Jly Rakotondrazaka Andry. Niala tsiny ny eo anivon’ny Emmo/ Far tamin’ny fanatanterahana ny asa tamin’ny asabotsy teo, noho ny fanelingelenana sy ny fahasorenana nitranga tamin’ny mponina, izay nipetraka nanao zavatra, tamin’ny toerana manodidina Analakely iny. Teo amin’ny familian-dalana ny fiara, ny fisavana misy, ary ny tsy nahatafidirana teny amin’ny faritra iny mihtsy aza. Nanaiky izany ny olona tamin-kitsim-po ary nisaoran’ny Jly Rakotondrazaka Andry manokana, noho ny fanekena ny fandaminana. « Tsy maintsy natao ny fametrahana fepetra, mba hahazoana mametraka ny lamina, tsy hisian’ny famotehana ny fihoaram-pefy nitranga teto Antananarivo », hoy izy hentitra.

12 voasambotra

Na miisy aza ny filaminana, dia nisy hatrany ny fandikan-dalàna niseho, ka nahatratra olona 12 ireo voasambotra. Nambaran’ny CIRGN ny Jly Rakotondrazaka Andry fa «  nisy ireo tratra ambodiomby nanao fandikan-dalàna, ka vehivavy ny iray ary manamboninahitra efa nisotro ronono teo anivon’ny Zandarimaria ny anankiray. Efa nanana raharaha izy io tamin’ny tetezamita, izay efa namerin-keloka ary efa nanaovana fanadihadiana mikasika izay. Nentaniny hatrany ny mponin’Antananarivo mba hampiseho ny fahamendrehana nasehony izay. Tanjona dia tsotra, hahafahan’ny olona hiaina am-pitoniana ny fanatanterahana ny asa andavanandrony.

Fermer