PolitikaSosialy

PRO-ANR – BENASANDRATRA FENOARIVO Nanatanteraka ny vina faha-10 handrakofana ala an’i Madagasikara

Niara-nientana tamin’ny fambolen-kazo ho fanatrarana ny velirano faha-10-n’ny Filoham-pirenena, ny fikambanan’ny Pro-ANR, ny sabotsy lasa teo. Nisy ny fanentanana nataon’ny filohany tamin’izany, mba hahatanteraka ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ho lovan’ny taranaka…

Ireo mpikambana sy solontenan’ny fokonolona ary ireo fikambanam-behivavy nanatanteraka ny fambolen-kazo

Nanohana ny fanentanana niainga tamin’ny velirano faha-10-n’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, toy ireo fikambanana rehetra efa nahatanteraka izany, ny teo anivon’ny Fikambanana Pro-ANR, ny sabotsy lasa teo, tao Benasandratra Fenoarivo. Raha natomboka tao Mahanoro ny ofisilin’izany tamin’ity taona ity, dia fantatra izao fa mieli-patrana sy tafapaka eran’ny lafy valon’ny Nosy ny fambolen-kazo tanterahin’ny fikambanana sy fiarahamonina isan-tsokajiny rehetra, anisan’izany ity fikambanana manohana 100% ny Filohan’ny Repoblika, ity. Velaran-tany lehibe tao amin’ny faritry ny « Cri-NFP » no nanatanterahan’izy ireo izany, ary zana-kazo miisa 2000 fihinam-boa sy ahitana karazany hafa no novolena tamin’izany. Ankoatra ny fikambanan’ny Pro-ANR tonga teny an-toerana, dia nifarimbona niaraka tamin’izy ireo koa, ny fikambanam-behivavy tarihin’ny vadin’ny Ben’ny tanàna ao Benasandratra Fenoarivo, niaraka tamin’ireo mponina amina fokontany maromaro. Teny fanentanana nentin’izy ireo tamin’izany ny hoe « Izay mamboly hazo manavotra tanindrazana, ary izay mandoro ala mandoro tanindrazana ».

Adidin’ny mpiray tanindrazana rehetra ny fambolen-kazo

Ankoatra izany, nanentana ny rehetra hanatanteraka io adidy masina ho an’ny tanindrazana io, ny Filoha nasionalin’ny fikambanana, Eliane Doris, izay miantefa amin’ireo fikambanana isan-tsokajiny sy mpiara-monina, fiangonana sy ireo departemanta samihafa. « Lova ho an’ny taranaka ankoatra ny fianarana ny fambolena hazo, ary manana adidy amin’izany ny rehetra », raha ny fanampim-panazavany. Nambarany, fa manaporofo ny maha Malagasy iray sy ny fihavanana mbola mitoetra izao hetsika tanterahin’ny rehetra izao, ary tanjona ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandrakofana ala azy.

Anisany tonga nanatanteraka fambolen-kazo teny an-toerana ny Tale jeneraly misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena

Tetsy an-kilan’izany, nambaran’ny Tale jeneraly misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, sady mpikamban’ny Pro-ANR, Andriamananoro Augustin, fa santatra ambavarano fotsiny ihany io notanterahina tao Benasandratra io, tsy atao fahazarana fotsiny ihany koa, fa tohizina amin’ny finiavana sy atao am-pitiavana. Araka izany, hotohizina manerana ireo distrika rehetra eran’ny Nosy io fambolen-kazo natomboka io, izay tafiditra indrindra anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo, raha ny nomarihany. Eo amin’ny fanaraha-maso ireo zana-kazo novolena indray, dia ny sekoly ao an-toerana no handray andraikitra amin’izany, miaraka amin’ny fokontany. Hisy kosa ny fidinana ifotony tanterahin’ny fikambanana ny volana jona ho avy izao, hijerena ireo zana-kazo natsatoka, ary hanoloana izay maty. Nisy ny nofon-kena mitam-pihavanana niarahan’ny mpisehatra rehetra tamin’izany fambolen-kazo izany, taorian’ny fotoana.

Fermer