PolitikaSamihafaSongadim-baovao

RADIO MADAGASIKARA (RNM): Feno 90 taona, fanatsarana maro no efa vita tato anatin’ny 2 taona

Ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM), na ny Radio Madagasikara no onjampeo voalohany indrindra teto Madagasikara. Amin’ity taona ity, izany hoe omaly 29 Aprily 2021, no nankalazaina ny tsingerintaona faha-90 an’ny Radio Madagasikara. “Ilay maridrefy tena tsara, Radio Madagasikara”io no teny famantarana nentina nanamarihana izao tsingerintaona izao. Eo anatrehan’ny Hamehana ara-pahasalamana kosa, dia tao amin’ny onjampeo ihany aloha no nanaovana sy nanombohana ny fankalazana.

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo izay nanotrona ireo mpiara-miasa rehetra tao amin’ny RNM, ary nanokatra ny vaovao antoandron’ny RNM omaly. Notanisainy tamin’izany ireo dingana nataon’ny Fitondram-panjakana nandritra izay 2 taona izay amin’ny fiahiana ny haino amanjerim-panjakana, toy ny fampitaovana hirosoana amin’ny teknolojia moderna. Nisy noho izany ny fampitaovana ny sampana fampahalalam-baovao, ny efitrano fitenenana samihafa. Ankehitriny, miroso amin’ny fametrahana ny site web sy ny web radio mba ahazoan’ny rehetra ny RNM ny Minisitera mpiahy. Andalana ihany koa ny fametrahana studio lehibe natokana ho an’ny filalaovana tantara izay ho tsangambaton’izao faha-90 taona izao. “Ankoatra ny fampitaovana, dia andraikitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina koa ny mitondra ny hafatry ny Fitondram-panjakana, manazava ny fandehan’ny raharaham-pirenena mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka, fa hahazo vaovao ofisialy amin’ny alalan’ny fandaharana isan-kerinandro ao amin’ny RNM”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Ity tomponandraikitra ity izay naneho fisaorana, fankasitrahana ary firariantsoa ho an’ny mpiasan’ny RNM noho izao faha 90 taona izao. Marihana fa mandritra ny herintaona no hanatanterahana ny fankalazana, ka mbola hisy ny lanonana fanamarihana lehibe kokoa aorian’ny Hamehana ara-pahasalamana.

Tantaran’ny Radio Madagasikara (RNM)

Ny 29 avril 1931, raha nandefa ny onjam-peo voalohany niainga avy eo Antaninarenina teo amin’ny tranon’ny Tresor (ONE teo aloha) ny radio Tananarive, dia tsy naharakotra afa-tsy ny 5 km manodidina azy ihany, ary ora roa no faharetan’ny fandaharana amin’ny teny frantsay manontolo. 15 taona taty aoriana dia efa nihanaka tamin’ny Faritra maro manerana ny Nosy ny Radio Tananarive ary nijoro ny antoko amin’ny teny Malagasy. Rehefa lasa Repoblika i Madagasikara dia nanomboka nandray ny fitantanana ny Malagasy niofana, ary naka traikefa tamin’ny SORAFOM, Société de Radiodiffusion de la France d’Outre Mer. Ny 28 febroary 1963, efa tena an’ny Malagasy ny Radio Madagasikara, ary notokanana ny trano tetsy Anosy. Lasa Foibem-pitondrana iray ny Radio Madagasikara sy ny televiziona malagasy rehefa nijoro ny TVM ny faran’ny taona 1967, ka nisalotra ny anarana RTM nandritra ny 25 taona. Ny taona 1993, niverina indray ny anarana hoe Radio Madagasikara na RNM Radio Nationale Malagasy, ary mbola voatazona hatramin’izao.

Fermer