PolitikaSongadim-baovao

RAFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA : Manamafy ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara

Tonga omaly maraina, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho Mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana na « Coordonnateur résident du Système des Nations Unies » (SNU) eto Madagasikara tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, i Anthony Ngororano, izay teratany Rwandais ity farany. Ny fiandohan’ny volana marsa teo izy no nandray ny toerany eto Madagasikara. Ny faha 18 Marsa kosa, i Anthony Ngororano no nanolotra ny dika mitovy tamin’ny taratasy fanendrena azy an’i Rasata Rafaravavitafika, minisitry ny Raharaham-bahiny. Mialohan’izao fanendrena azy ho Mpandrindra maharitra ny SNU eto Madagasikara izao, efa nisehatra tamina rafitra hafa teo anivon’ny Firenena Mikambana i Anthony Ngororano, isan’izany ny PNUD, ny FNUAP, sy ny ONU-Femme. Noraisin’ny Filoham-pirenena tao amin’ny birao fiasany tao Iavoloha ity Mpandridra maharitry ny SNU vaovao ity. Naharitra ora iray sy 15 minitra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Araka ny nolazain’i Anthony Ngororano taorian’ny fihaonana, dia niarahaba ny Filoha sy ny Governemanta izy noho ireo asa sy zava-bita amin’ny fitantanana ny firenena. Voaresaka koa ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Firenena Mikambana.

Nanome toky moa i Anthony Ngororano amin’ny fitohizana sy ny fanamafisana izany fiaraha-miasa izany, singanina manokana amin’izany ny fanantanterahana ireo Andry telon’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Notsiahiviny rahateo fa ny “accord-cadre de coopération,” izay nosoniavin’ny Firenena Mikambana sy i Madagasikara tamin’ny taona 2024, dia mifanandrify amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Nasian’ity tomponandraikitry ny Mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana ity resaka ihany koa ny mahakasika ny fisintahan’ny firenena amerikanina, amin’ny famatsiam-bola ireo sehatra iraisam-pirenena maromaro. Araka izany, dia nilaza i Anthony Ngororano fa ny imasoana ny fanohizana ireo ezaka efa natomboka.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer