PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA 07 FEBROARY 2009: Feno 14 taona katroka anio
Andro maloka ho an’ny tantaran’ny firenena ny andron’ny 07 Febroary 2009 izay tsaroana anio. Fahatsiarovana ratsy sy mbola tsy hay hadinoina tokoa ny zava-nitranga teny Ambohitsorohitra sy ny manodidina tamin’io tontolo andron’ny Sabotsy mihosin-drà io. Malagasy 28 no lavo, raha toa ka 212 ireo nitondra takaitra vokatry ny fitifirana.
Nanova zavatra maro teto amin’ny firenena ny fanatanterahana ny tolon’ny 07 febroary 2009. Nahafahan’ny vahoaka Malagasy niala teo ambanin’ny jadona nataon’ny Filoha am-perinasa tamin’izany fotoana. Raha zohina akaiky, isan’ny vy nahitana izao Fitondrana mijoro amin’izao fotoana izao ihany koa iny hetsika iny. Tsy afaka am-pon’ny olona ny finiavana te hitondra rivo-pahafahana eto amin’ny firenena ka antony mbola nametrahan’ny maro an’isa indray ny Filoha Andry Rajoelina ho eo amin’ny toeran’ny Filoha ankehitriny.
Mbola maro ireo vahoaka maniry izay fivoarana entin’ny Filoha izay. Porofon’izany, fikambanana sy vondron’olona maro no efa mangataka sahady ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena manaraka eo. Iray amin’izy ireny ny fikambanana AV7. Ity farany izay hivondronan’ireo olona niharam-boina nandritra ny tolon’ny 07 febroary.
«Tsy mamadika ny Filoha tamin’ny tolona izay niarahana natao ny tenako. Miara-maty amin’ny Filoha aho… Noho izany, izahay ato anatin’ny fikambanana AV7 dia maniry sy mangataka hatrany ny mba hirotsahan’ny Filoha Andry Rajoelina hofidiana indray amin’io fifidianana Filoham-pirenena manaraka io», hoy ny fanazavana izay nentin’ny filoha mpitarika ny fikambanana AV7, Etienne Andriamahefarisoa.
Toy ny mahazatra moa, hisy hatrany ny lanonana fametraham-boninkazo eny Ambohitsorohitra anio ho fanomezan-kasina izany daty nametraka tantara teto amin’ny firenena izany. Ho tonga maro eny an-toerana ireo olona mbola mitondra takaitra vokatry ny fitifirana. Ny sasany amin’izy ireo izay manao antso avo ny amin’ny tokony hamerenana indray ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana satria nisy nisompatra ny fisitrahana izany nandritra ny fitantanan-dRajaonarimampianina farany teo.
Fantatra ny tompon’antoka…
Nandritra izay 14 taona izay, tsy nadio tanana teo anatrehan’ny vahoaka ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay voatondro ho tompon’antoka tamin’ireny fitifirana ireny. Vao mainka nanamafy izany ny fanambarana izay nataon’ny Jeneraly Raoelina tamin’ny taon-dasa tao anatin’ny tambazotran-tserasera Twitter. Ity farany moa, raha tsiahivina, no tale nisahana ny fiarovana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Voalazany tamin’izany fa «Tsy nanenenako ny nanomezana baiko hitifitra sy hamono olona teny Ambohitsorohitra tamin’ny 2009». Ary mbola nohamafisiny aza ny hoe “Raha mbola azo averina, dia vao mainka ataoko tsy misy indrafo ny mandatsaka aina bebe kokoa».
Sarobidy Sidonie.



