Fanadihadiana ManokanaPolitikaTrangam-piaraha-monina

RAHARAHA ADI-TANY AO BETSAKOTSAKO ANDAPA: Solombavambahoaka manao fanamparam-pahefana

Tany efa nahazoan’ireo tompony manana taratasy ara-dalàna, didim-pitsarana raikitra avy tamin’ny fitsarana rehetra mahefa ao Antalaha sy tany Antsiranana ary ny fitsarana antampony aty Antananarivo, kanefa dia tsy avelan’ny solombavambahoaka any an-toerana isitrahan’izy ireo. Efa namoaka « avis favorable » ny fitsarana ambony any Antsiranana fa tokony hotanterahina ny didim-pitsarana mandroaka ireo olona mibodo ny tany, izay ny solombavambahoaka no mamporisika azy ireo aty ambadika.

Tanimbary mirefy 56 hektara izy ity, efa vita « morcellements » tamin’ireo olona miisa 26 izay tompony manana « titres »  efa ara-dalàna tsara daholo. Tokony hojinjaina ny vary miakatra amin’izao fotoana izao fa mihasimba am-pitoerana noho ny fisakanana ataon’ilay olom-boafidy tsy manana taratasy na kely aza fa manao didi-kofehy lehibe fotsiny. Ny mampalahelo dia ny vondrona IRMAR nampandany azy no voasoketa.

Raha nisy olana lehibe tena mahasarotiny ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, dia ity adi-tany ity, koa tokony handray ny andraikiny ny manam-pahefana sivily sy miaramila any Andapa fa tsy solombavambahoaka mihitsy no hibaiko azy ireo amin’ny asany.

Tanin’ny mpanjanaka

Tahaka izao ny famintinana io olana adi-tany goavana io.  Tanin’ny mpanjanaka antsoina hoe Fabien Alidor io tany io tany am-piandohana nitondra ny anarana hoe « Espérance XIII », titre lf : 104-BQ. Rehefa nahaleo tena ny firenena dia lasa ny vahiny ka namidiny tamin’i Marson Antoine ny tany, araka ny fifanaraham-pivarotana tany tamin’ny 8 novambra 1971. Ny 27 febroary 1976 dia nampiditra fangatahana fankatoavana an’io fifampivarotana io tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tany Antalaha i Marson Antoine mba hanamafy orina azy, ka ny 4 febroary 1977 dia namoaka didy « jugement civil » lf : 57 ny fitsarana nanamafy ny maha-ara-dalàna ny fifampivarotana, ary tsy nisy nanao fampiakarana.

Ny taona 2004 dia nodimandry i Marson Antoine, ka ny zanany mianadahy avy soloin’i Marson Eloi Ruphin tena no nandova azy. Nanararaotra ny fahafatesan’ilay tompon-tany ny andian’olona notarihin’i Bozy Ernestine ka niditra an-keriny teo amin’ny tany nanomboka ny taona 2009. Nitory ny mpandova ka nivoaka ny didim-pitsarana avy amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany tao Antalaha, lf : 69 ny 23 febroary 2011 mandroaka ny tarik’i Bozy Ernestine miala amin’ny tany manan-tompo, sady nanameloka azy ireo handoa onitra 5 tapitrisa ariary ary mandidy ny hanoratana ny tany amin’ny tena mpandova marina, dia ny zanak’i Marson Antoine, ireo izay mbola velona. Nampiakatra fitsarana ambony indray ireo mpibodo ny tany kanefa mbola resy ihany araka ny didim-pitsarana lf :117 tamin’ny 28 aogositra 2013 navoakan’ny fitsarana ambony ao Antsiranana. Mbola nanao fanohanana an’io didin’ny fitsarana ambony io ireo mpibodo tany tamin’ny alalan’ny « déclaration d’opposition » ny datin’ny 21 janoary 2014, satria mba hahafahana mijanona mampiasa ny tany dia nanao fangatahana « prescription acquistive » izy ireo ny taona 2013. Nolavin’ny fitsarana indray izany araka ny didy lf : 102 tamin’ny 27 Jolay 2016 navoakan’ny fitsarana ambony Antsiranana.

Fanamparam-pahefana

Rehefa nazava io didim-pitsarana farany io dia nivarotra ny tany sy nanao famindrana (mutation) tamin’ireo olona nividy ny tany ireo mpiray tampo mpandova an’i Marson Antoine. Efa vita tanteraka ny dingana ara-taratasim-panjakana rehetra ka nahazo « titre » ara-dalàna daholo izy ireo, efa samy manana ny anarany avy indray ny tany araka izany rehefa voazara. Taty aoriana dia efa niala tanteraka tamin’io adi-tany io ny tarik’i Bozy Ernestine fa olona hafa milaza fa fianakaviany indray no nanohy ny fibodoana ny tany, satria marihina fa mametraka olona hamboly eo amin’ny tany izy reo, ary hakany vola 500.000 Ariary isan’olona isaky ny hektara hoe hofan’ny tany.

Teto no nanomboka niditra ilay solombavambahoaka, mbola tsy olom-boafidy akory izy tamin’izany fa nampirisika an’ireo mpibodo ny tany taty ambadika. Rehefa lasa solombavambahoaka moa izy dia vao maika nanao fanamparam-pahefana tsotra izao hoe tsy azon’ny tompony kitihina intsony ny tany, ary ny vary niakatra teo dia nobaikony tsotra izao fa ny 80% ny vokatra dia omena azy ary ny 20% sisa no tena an’ny tompon-tany. Tereny hifanaraka aminy ireto farany fa raha tsy izay dia tsy hilamina mihitsy ny raharaha. Tsy manaiky anefa ireo tena tompony, olona tantsaha sahirana koa ny ankamaroany ka dia fandrahonana lava no iainan’izy ireo. Manginy fotsiny ny fanakaramany olona hilahatra hilaza hoe an’ny fokonolona nolazainy fa nanajary ny tany, kanefa tsy marina velively izany ary ny taratasim-panjakana sy ny didim-pitsarana rehetra mazava. Ireo samy mpibodo aza moa miady an-trano noho ny tombontsoa koa ka nisy ny fifandonana ary naharatrana olona, dia noterena fotsiny fa hoe ireo tena tompon’ny tany indray no nandratra ilay olona na dia tsy nisy nidiran’izy ireo aza ny fifamonoana teo amin’ny samy mpibodo tany.

Hanao bemidina rahampitso

Marihina fa mbola niakatra hatraty amin’ny fitsarana antampony mihitsy ny raharaha, fa araka ny didim-pitsarana hitsivolana indroa miantoana lf : 730-PPCS tamin’ny 08 oktobra 2024 sy ny lf : 984-PPCS tamin’ny 23 desambra 2024 dia nolavina hatrany ny fangatahan’ny mpibodo tany tsy hampihatra didim-pitsarana mandroaka azy ireo hiala eo amin’ny tanin’olona. Asa inona loatra no fahefana olom-boafidy anankiray manao tsinontsinona didim-pitsarana maro be, manome baiko tompon’andraikim-panjakana tsy hanatanteraka ny didy.

Araka ny vaovao fantatra farany dia rahampitso Alarobia 21 mey 2025 no tokony hanao bemidina any Andapa hanatanteraka ny didim-pitsarana hanomezana alalana ny tompon’ny tany hijinja ny variny eo ny solotenam-panjakana sy ny mpitandro filaminana, ka asa raha mbola ho sahy hanakana izany ihany ity solombavambahoaka ity, raha ireo porofo rehetra manome rariny eo am-pelatanan’ny tompon-tany. Marihina fa efa nanao fitarainana hatrany amin’ny Minisitry ny fitsarana, ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ireo tompon’ny tany manana ny rariny ireo, satria dia ilay vondron’antoko IRMAR nahalany azy sy ny fitondram-panjakana iray manontolo mihitsy no lotoin’ilay solombavambahoaka amin’izao didin’ny besandry ataony izao ka tena tsy azo ekena mihitsy. Tsy maintsy horesahantsika eto ny tohin’ny raharaha.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer