
PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA ADIN-TANY AO BETSAKOTSAKO ANDAPA: Tsy mahavaly ireo porofo mazava nentina ilay Depiote
Raha toa ka voaporofo mazava tamin’ny alalana antontan-taratasy sy didim-pitsarana ny lahatsoratra nentina teto amin’ny gazety omaly momba ny raharaha adin-tany ao Betsakotsako Andapa, dia tamin’ny alalana ranty tsotra tao amin’ny Tambazotran-tserasera Facebook, tsy misy tohan-kevitra na porofo, no namalian’ingahy Solombavambahoaka izany.
Hoy indrindra ny Solombavambahoakan’Andapa teo amin’ny kaonty Facebook-ny: “Mafy tokoa ny mahazo ireo zatra manao gaboraraka, Mafy tokoa ny mahazo ireo izay zatra mpanao lalan-dririnina amin’izao, Ary tena mafy ny mahazo ireo zatra manao tsindry hazo lena amin’ny vahoaka. Satria manana solombavam-bahoaka tsy manaiky an’izany ianareo eto Andapa ankehitriny ! Efa nolazaiko matetika fa tsy tsangan’olona aho, fa mahay sy mahalala tsara ny asako.”
Raha miainga amin’io valinteniny io dia hita fa tsy manan-kavaly ity olom-boafidy ity. Maninona tsy mampiseho taratasy raha manana porofo ? Nahoana no tsy novaliana hoe maninona no sakanana ny fanatanterahana didim-pitsarana ? Ilay fanamparam-pahefana noho ilay sata maha Solombavambahoaka mihisy eto no tiana vakiana bantsilana. Fanamparam-pahefana izay havadiny ho fiarovana ny madinika indray, entina hakana ny fon’ny vahoaka. Ireo vahoaka lazainy fa arovany ireo anefa dia olona ampolony. Andrasana ny tohin’ny raharaha…
Ny Fanoratana.




